Amin’ity anio ity no tanterahina ny fifidianana Filoham-pirenena any amin’ny « République Démocratique du Congo ». Any an-toerana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, mitarika ireo iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina hanara-maso sy hanao tombana mahakasika ny zotram-pifidianana.
Nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ny Filohan’ny CENI Denis Kadima Kazadi, ny faha 18 Desambra lasa teo fa amin’ny maha iraka manokana ho mpanara-maso ny fifidianana azy ireo, dia manatanteraka ny andraikitra hiantsorahany anaty fahadiovana, fahaleovan-tena ary fangaraharahana tanteraka izy ireo.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.