Ny tolakandron’ny alahady 25 may ho avy izao, etsy amin’ny CCESCA Antanimena no hanatanterahana ny rindran-kira « Redombe bagasy ». Ela no tsy nisy ny rindran-kira ahafahana mihanoka ny bagasy tahaka izao, hoy ny Dokotera Lydie Ratefiarison, filohan’ny fikambanana « Sehatra bagasy ». Ity farany izay hivondronan’ireo mpankafy, mpikaroka ary mpisitraka ny bagasy mba ahafahana mifampizara, mifampianatra ary manabe voho sy manapariaka ny bagasy. Marihana fa efa mijoro ihany koa ny fikambanana « Sehatra bagasy » any Frantsa sy Antsirabe. Maro ireo Tanora no efa mankafy ny bagasy izay mirakitra kolontsaina (hira teatraly) sy ny gadona hafakely noho izy « mandringa » tsy faheno raha tsy eto Madagasikara. Mampiavaka ny bagasy ihany koa ny fisian’ny angola kanto sy ny tononkira mirakitra hafatra sy fihetseham-po lalina nojariana avy amin’ny famolahana ny teny malagasy.
Hitety vanimpotoana (1900-1960) ireo hira miisa manodidina ny fito amby telompolo ho vetsoin’ireo mpandray anjara enimpolo mianadahy eny an-tsehatra, mandritra ny « Redombe bagasy ». Tanjona ho amin’ny fanatanterahana ity rindran-kira « Redombe bagasy » ity, hoy ny mpikarakara ny ahafahana mifanome tanana ho amin’ny hoenti-manana ny fanatontosana ny raki-tsary ombam-peo « Clip » sy ny rakinkira ary anisan’ny asa goavana miandry ny « Sehatra bagasy » ihany koa ny fanatontosana ny fandraiketana an-taratasy amin’ny alalan’ny sorapeo « Solfa sy solfezy » ireo hira bagasy nojarian’ireo mpanakanto andrarezina. Io ilay antsoina hoe : « Tiona bagasy » Indro kely ho amin’ny fanapariahana ny bagasy ny tsy fisian’ny sehatra na efitrano mendrika izany. Manao antso avo amin’ny Minisitera mpiahy ny kolontsaina, araka izany, mba hijery akaiky izany. Azo mabara ho vakoaka sarobidy ho an’ny Malagasy tokoa mantsy ny bagasy.
