Ny andiany fahatelo amin’ny “Revy Revy Mody Masoandro” izay karakarain’ny “Louvto Company”, no fampisehoana hotanterahana, eny amin’ny “Parking CCI Ivato”, ny alahady 27 jolay 2025. Tarika miisa samihafa izay samy nandalo ny vanim-potoanany avy no hifandimby hiaka-tsehatra amin’io fotoana io dia ny tarika Samoela, Mahaleo sy ny taranany, Lolo sy ny Tariny.
Hampiavaka ity fampisehoana ity ny fampitambarana ny rehetra dia ny mpijery sy ny mpankafy ary ny mpihira ho ao anaty “revy iray” amin’ny fampiaraham-peo. Afaka miaraka mihira ny roa tonta amin’io fotoana io. Ireto mpanakanto ireto ihany koa na samy manana ny vanim-potoana nolalovany aza dia nampiraisin’ny gitara. Samy mitendry avokoa izy ireo rehefa miaka-tsehatra hany ka mamelona ny kanto sy ny vazo eny ambony sehatra. Amin’ny alalan’ny tononkiran’izy ireo ihany koa anefa no hiveloman’ny teny sy ny tany sy ny tantara indrindra fa ny firenena.
Ity “Revy Revy Mody Masoandro” andiany fahatelo ity araka izany no heverina fa ho fampisehoana anisan’ireo ho goavana indrindra eo amin’ny tantaran’ny an-tsehatra malagasy. Anisany mpanohana ofisialy izao fampisehoana goavana izao ny zava-pisotro “THB”. Mpanohana ihany koa ny “Airtel”, “Salone”, “KIBO” sy ireo maro samihafa. Ho hita eny an-toerana ny kitonotono isan-karazany sy afon-dasy ary ny “Live Parking”, araka ny fanazavana voaray.
