RFF « FJKM AMPARIBE FAMONJENA » : 25 Taona nanabeazana Tanora mba ho vanona

« Rantsana Fanatanjahatena sy Fialam-boly » na RFF Sampana mijoro eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Misehatra amin’ny fitaizana ireo mpikambana hiova fo ho Kristianina ho andrin’ny fianakaviana sy ny firenena. Ny lafiny fanaovana ny fanatanjahatena sy ny filalaovana ny hira sy ny mozika. Ireo no sehatrasa ataon’ny RFF FJKM Amparibe Famonjena ho entiny manatratra ny tanjona dia ny hamolavola tanora Kristianina vanona ho an’ny fianakaviana sy ny firenena. Misy komity ahitana vaomera miisa efatra eo anivon’ny RFF dia ny misahana ny aim-panahy, fialamboly, ny Fanatanjahatena ary ny miantsoroka ny fampianarana ny fiteny anglisy.

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sokajin’olona rehetra ny « RFF » Amparibe Famonjena fa tsy mihidy anatin’ny rindrina efatra, hoy, Rakotandramboa Johary filoha amperinasa, mba hahafahana manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena ireo mpianakavin’ny finoana sy hanabeazana miandalana ireo tanora mba hanana toe-tsaina mikendry sy hisafidy hatrany ny « Tsara » eo am-pamakivakiana ny fiainana. Miara-miasa akaiky amin’ireo mpanakanto andrarezin’ny hira sy ny mozika malagasy hatrany, araka izany, ny RFF « FJKM Amparibe Famonjena » eo amin’ny famolavolana ireo tanora liana amin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika.

Hisokatra amin’ny volana oktobra, novambra ho avy izao ny fotoam-pankalazana ny faha- 25 taona nijoroan’ny RFF « FJKM Amparibe Famonjena ». Maro ireo hetsika hoentina mana-marika izany. Efa amperinasa rahateo ny komity mpanomana, hoy, hatrany ny filohan’ny RFF Rakotondramboa Johary.

Raha tsiahivina, fomba fiasa efa fanaon’ny RFF « FJKM Amparibe Famonjena « ny fanatanterahana fotoam-bavaka arahana rindran-kira hoentina mitondra am-bavaka ireo hanala fanadinam-panjakana sy ny firenena. « Zanahary ô ! Tahio ny Tanindrazanay » no loha-hevitra isan-taona banjinina anatin’izany. Niavaka ny Andiany faha- 23, izay notanterahan’ny takarivan’ny alarobia 25 jona dila teo, tetsy amin’ny FJKM Amparibe famonjena tamin’ny nanasan’izy ireo ny Antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana Toamasina sy ny fandraisan’anjaran’i Henri Ratsimbazafy. Ny mahasoa sy ny mahafinaritra hatrany, araka izany, no tovozina eo anivon’ny Rantsana Fanatanjahatena sy Fialamboly eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena ho voninahitr’Andriamanitra.

Vous aimerez aussi