“RHEFI “SABOTSY NAMEHANA” : “Avaradrano ho an’I Jesosy Kristy” no tanjona…

Ny Pasitera Rahajarivonona Joel, mpitarika ny “Rhefi Sabotsy Namehana”.

Ny taona 2010 no niorina ny Fiangonana Rhefi Sabotsy Namehana, tarihan’ny Pasitera Rahajarivonona Joel. Ity farany, izay nandalina ny fianarana ny baiboly sy ny fomba fitantanana Fiangonana, nandritra, ny 7 taona. “Ny fahatsapana izay nipololotra mafy tao anatiko ny amin’ny hanafahana ireo olona eo ambany vahohon’ny Satana noho ny fahotana mangeja mafy azy ireo” no nanosika ahy namaly ny antson’ny Tompo hisehatra amin’ny asa fitoriana filazantsara, hoy ny Pasitera Rahajarivonona Joel. Anisan’ny tarigetran’ny fiangonana rahateo ny hoe : “Avaradrano atokana ho an’I Jesosy Kristy”.

Olona sahirana ara-pivelomana no niatombohan’ny Fiangonana Rhefi Sabotsy Namehana tany ampiandohana, noho ny fitahian’Andriamanitra izay azo avy amin’ny fanandratana vavaka ho amin’ny fanambinana sy fanafahana ary fanapahana ozona anefa dia azo ambara fa nandranto fahombiazana teo amin’ny seham-pihariana izy ireo koa afaka mitondra hatrany ny anjara birikiny ho amin’ny fanabeazam-boho ny asan’ny Fiangonana. Tsy manavaka finoana ny fiangonana. Andalana ho amin’ny famitana tanteraka ny trano fivavahana ankehitriny ny Rhefi Sabotsy Namehana.

Mifototra amin’ireo voarakitra anatin’ny baiboly, araka izany, ny fampianarana zarain’ireo mpitarika eo anivon’ny Rhefi Sabotsy namehana. Nomarihan’I Pasitera Rahajarivonona Joel fa nanova fiainan’olona maro ho amin’ny fanambinana, fanafahana, fanapahana ozona ary ny fanasitranana ireo aretina miseho amin’ny endriny maro toy ny (rodia, diabeta, fahamombana, fahalemena ara-batana, sns) ny herin’ny finoana nombam-bavaka tsy ankiato atao eo anivon’ny Fiangonana. Miaina sy mino ny herin’ny Fanahy masina isanandro vaky ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana Rhefi Sabotsy Namehana. Mitsangana eo anivon’ity fiangonana ity rahateo ireo sampana toy ny fikambanan’ireo vehivavy, lehilahy, sekoly alahady (Ankizy). Izy ireo izay samy mifanome tanana mavitrika tokoa ho amin’ny fanitarana ny asan’Andriamanitra. Ny zotom-pon’ireo olona arahan’ny hetaheta lalina hahazo famonjena avy amin’I Jesosy Kristy, araka izany, no manosika ireo mpino tonga miara-mivavaka eo anivon’ny Rhefi Sabotsy Namehana, isaky ny Alahady tontolo andro sy ny Alarobia tolakandro. Tsy fitadiavam-bola ny antom-pisian’ny Rhefi Sabotsy Namehana, hoy ny Pasitera Joel fa ho famonjena ny fanahin’ny Malagasy mba samy ho mendrika handova ny Lanitra isika mianakavy. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy manam-pinoana isika ary mivavaka tsy mihambahamba sy tsy ho menatra hijoro mandrakariva amin’ny finoana sy fanompoana an’Andriamanitra.

Vous aimerez aussi