RIVO RAKOTOVAO : Mangataka ny mangaraharaha amin’ireo fanampiana azon’i Madagasikara

Manahy ny mety hisian’ny fanaparam-pahefana sy fanodikodinana  ny fanampiana azon’i Madagasikara, iadiana amin’ny coronavirus, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao. Noho izany, nitondra ny heviny izy mikasika ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena, ny toe-draharaha eo amin’ny lafiny sosialy sy ara-toekarena nandritra izay hefarana amin’ny fihibohana izay.

Ho an’ity filohan’andrimpanjakana ity dia ny fanomezanana vaovao mari-pototra amin’ireo asa tanterahina no hamehana amin’izao fiatrehana ny COVID-19 izao. “Andraikitry ny fanjakana no mandrindra sy mizara ireo laharam-pahamena ao anaty fotoana fohy sy ireo maha maika aorian’ny krizy mianjady amin’ny firenena”. Amin’izao ady amin’ny valan’aretina izao, dia mangataka fanazavana misimisy kokoa amin’ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakana sy mangarahara amin`ny fitantanana ireo fanomezana sitrahin` i Madagasikara entina hiantohana ny lafiny ara-tsosialy ny filohan` ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny fa misy ireo tohana ara-tsosialy izay tena ankasitrahanan, saingy ahiana ho fototry ny fanaparam-pahefana sy fanodikodinana. Tao anatin’izay telo herinandro fihibohana izay dia azo ambara fa voafehy ny fiparitahan’ny aretina raha oharina amin`ny any ivelany. Na izany na tsy izany, notsipihany fa mbola tsy ampy ireo andrana sy fitiliana atao ahafahana mifehy tanteraka ny aretina.

Vous aimerez aussi