RODOBEN’NY MPANOHITRA : Tsy hijanona eo amin’ny MAGRO intsony ny hetsika

Tsy hijanona eo amin’ny Magro Behoririka intsony ny hetsika fitakiana ny fahamarinana fa hivoaka amin’ny toeran-kafa, izay ho lazaina manaraka eo ihany ny toro-marika momba izany. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Rodoben’ny Mpanohitra izany, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fihaonana fanintelony nataon’izy ireo, tetsy amin’ny Magro.

Anisan’ny nanatevin-daharana teny moa ny avy amin’ny hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hala-bato sy ny hosoka.

Hita teny an-toerana avokoa ny parlemantera avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (na ny TIM) sy ireo mpikambana amin’ny birao politika, ny avy amin’ny Roben’ny Mpanohitra,…

Anisan’ny tena takiana teny ny fanaovana fampitahana ny lisim-pifidianana tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna teo.
Voalaza ihany koa fa misy ny fampitahorana ireo kandidà sasany any ambanivohitra any, izay mitaky izany fahamarinana izany, ka miantso aty an-drenivohitra mba hijoro hanao ny tolona hatramin’ny farany.

Na eo aza ny tokony ho fitoniana noho ny andro akaiky fety dia tonga maro teny ihany ny olona. Ankilan’izany, miandry izay valintenin’ny Fitsarana misahana ny raharaham-panjakana amin’ireo fitoriana sy ny voka-pifidianana ofisialy, izay hivoaka ny tapaky ny volana janoary ho avy izao.

Vous aimerez aussi