Ny “Salon de l’Étudiant et de l’emploi” andiany fahavalo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 26 aogositra 2025. Ity hetsika izay hifarana ny 28 aogositra 2025 dia natao indrindra hanampiana ireo tanora mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea farany teo eo amin’ny fitadiavana Sekoly Ambony sy Oniversite hanohizany ny fianarana.
Ankoatra izay dia hanohanana ihany koa ireo tanora eo amin’ny fitadiavana asa. Ahitana ireo orinasa izay manome tolotr’asa eo amin’ireo sehatra maro ho an’ireo tanora ao anatin’ny fitadiavana asa, ny hetsika. Na ireo olona tsy manana diplaoma bakalorea aza dia tsy diso anjara amin’ny hetsika. Hita eny an-toerana ihany koa mantsy ireo fampahafantarana ireo fampiofanana izay hahafahana miatrika asa avy hatrany. Mpitsidika maherin’ ny 20.000 no handrasana amin’ity “Salon de l’Étudiant et de l’emploi” andiany fahavalo ity. Misy hatrany ny fisarihana hatao izay hahazoan’ny mpandray anjara loka avy amin’ny tompon’andraikitra mpikarakara sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ary ireo Oniversite mandray anjara rehetra.
Tompon’andraikitra mpikarakara ny “Salon de l’Étudiant et de l’emploi” ny “Agence de communication Publika Mada” izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy ireo Oniversite misy eto Madagasikara ihany no mampahafantatra ny momba azy amin’izao hetsika izao fa na ireo Oniversite avy any ivelany ihany koa aza dia mandray anjara mivantana mba hampahafantaran’izy ireo ny Oniversite amin’ireo mpianatra malagasy, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ny “Agence de communication Publika”, Rabenaivo Falihery.
