25 000 Ar ankehitriny ny vidin’ny iray gony amin’ny arina fandrehitra. Efa lafo no mbola mananosarotra ihany koa ny fahitana ny saribao ao anatin’izao vanimpotoana iainan’ny Malagasy ny fihibohana izao. Tsy misy antony marimpototra mahatonga ny fiakaran’ny vidin’ny saribao fa ny fanarararaotana fotsiny izao no manosika ireo mpikirakira ny varotra arina fandrehitra nampiakatra ny vidin’entan’izy ireo, hoy ity mpanjifa naneho ny heviny.
Tsy tazana sy mangina
Manoloana izany, tsy tazana ary mangina tanteraka ireo fikambanana mitonona ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Vanimpotoana tokony hiasan’izy ireo mafy ho amin’ny fanaraha-maso ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro ny misy antsika izao, hoy ity mpanjifa iray nefa mahagaga fa tsy ahitan-teny ary mangina tanteraka izy ireo. Hatreto aloha izany dia malaza tsy hihinanana toa vilian-tsahona fotsiny ihany ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa tsy mbola azo tsapain-tanana ny asa vitan’izy ireny sy ny akony any amin’ireo mpanjifa.
Manentana sy manao antso avo ho an’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana hanohy hatrany ny asa fitsirihana sy fanaraha-maso ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro ny mpanjifa izay efa tofoka amin’ny fiziogana ny fanarararaotana diso tafahoatra ataon’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny varotra.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa efa manomboka tsy tazana eny amin’ireo toeram-pivarotana ihany koa ankehitriny ny entona fandrehitra anaty tavoahangy vy (gaz). Ankoatra ny tebiteby isanandro vaky noho ny fihanaky ny coronavirus, mbola ady mangotraka atrehin-dRamalagasy ihany koa ny fampiakaram-bidin’ny entana fampiasa andavanandro ataon’ireo mpivarotra sasantsasany izay entanin’ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola ary fitiavan-kely diso tafahoatra.
