Mety mbola haharitra hatramin’ny 3 taona ny fiantraikan’ny krizy eo amin’ny lafiny ara-toekarena, indrindra fa ho an’ireo sehatra tsy miankina araka ny nambaran’ ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato. Hisy noho izany, hoy izy, ny fijerena manokana ireo sehatra tsy miankina, ankoatra ireo fepetra efa noraisina mikasika ny fanalefahana ny fandoavan-ketra. Efa eo andalam-pamolavolana vahaolana ny Ministera ankehitriny ary hojerena tsirairay ireny fangatahana nataon’ny Sehatra tsy miankina ireny, araka ny nambaran’ny Minisitra hatrany.
Amin’izao fotoana izao, dia nilaza ihany koa ny tenany fa manodidina ny 212 miliara ariary ny fahabangana ara-bola na ny “gap de financement” vokatry ny tsimok’aretina coronavirus. Na izany aza dia efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany tahaka ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena handinihana ny vahaolana ny amin’ny famatsiam-bola sy ny fanalefahana ny trosan’i Madagasikara, araka ny fanambarana hatrany.


