SEKOLY AMBONY ISPM ENY ANTSOBOLO : Namoaka tanora mpianatra miisa 350

Tanora mpianatra miisa 350 no navoakan’ny Sekoly Ambony “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” na ny ISPM eny Antsobolo, ny zoma 4 desambra 2025. Diplaomam-panjakana “Licence” sy “Master I” ary “Master II” no natolotra azy ireo tamin’izany. Ireo lalam-piofanana miisa 5 no namoahana ireo mpianatra ireo. Sampam-pianarana miisa 16 araka izany no narahan’ireto tanora mpianatra ireto. Vonona ny hamorona asa avy hatrany ho an’ny tenany ireto mpianatra ireto.Tsy hiasa amin’ny orinasa anefa. Vina apetraka ny hitondra anjara biriky amin’ny mpiray tanindrazana. Ny tanora mpianatra avy ao amin’ny ISPM Antsobolo izay tsy mijanona fotsiny amin’ny famoronana tetikasa hananganana orinasa fa misy ihany koa no tonga dia handeha hiasa any ampitan-dranomasina. Mihzmitombo isa hatrany isan-taona ireo tanora mpianatra manam-pahaizana eto Madagasikara indrindra fa ireo eo amin’ny sehatry ny Fampianarana Ambony. Manaporofo izany ny famoahan’ireo Sekoly na Oniversite Ambony tsy miankina amin’ny fanjakana tanora mpianatra. Ny Sekoly Ambony tsy miankina ISPM izay mamoaka andiana tanora mpianatra Injeniera betsaka indrindra isan-taona. Nanomboka ny taona 2012 dia ity Sekoly Ambony tsy miankina ISPM ity no nitana ny laharana voalohany eto Madagasikar, araka ny laharana nomena azy ireo eto. Manohy ny teny filamatra hatrany ny ISPM Antsobolo, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi