SEKOLY AMBONY TSY MIANKINA “EXCELLENCE” ENY FARAVOHITRA : Mampiofana amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny

Ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence-Instutit Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie”, izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra, izay efa nijoro ara-panjakana nandritry ny telo taona izao dia manomana ireo tanora mpianatra na olona te handalina fahaizana amam-pahalalana amin’ ny lafiny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny.

Afaka miditra amin’ny taona voalohany na taona faharoa na taona fahatelo araka izay efa fianarana sy fiofanana arakasa norantovin’ilay mpianatra. Ireo afaka miditra Taona Voalohany dia ireo rehetra manana ny diplaomam-panjakana Bakalorea Sokajy rehetra. Ny fomba fampianarana dia manaraka ny “Système LMD”. Amin’izay lafiny izay dia mandeha isaky ny “Semestre” ny fianarana. Misy ny “Semestre” hanatanterahana ny fiofanana fotsiny. Ny tolotra manokana amin’izao fahatelo nijoroan’ny Sekoly Ambony tsy miankina izao dia afaka tanterahana amin’ny fomba ampitain-davitra ny fianarana ho an’ireo tanora mpianatra ao amin’ny taona fahatelo  ho an’ireo izay maniry ny hisitraka izany. Ny taona fahatelo ihany satria io no taona famaranana.

Isan-taona dia misy fampiofanana izay atolotry ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence” ho an’ireo mpianatra izay hahafahan’izy ireo misafidy na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Ao amin’ny taona fahatelo ihany koa dia afaka miofana any ampitan-dranomasina ireo mpianatra mandranto fahaizana amam-pahalalana. Efa misy ny “Agence de placement” miara-miasa amin’ity Sekoly Ambony tsy miankina ity amin’izany.

Misy ny mason-tsivana

Mason-tsivana hahafahana miditra ao amin’ny “Excellence” ny « Test de positionnement » amin’ny tenim-pirenana vahiny toy ny Frantsay sy Anglisy ary lojika. Izay no jerena amin’io “Test de positionnement’ io.  Anisan’ireo sekoly mampianatra ny teny Anglisy ny “Excellence”. Fampianarana izay hanamafisana hatrany amin’ny alalan’ny fampiofanana.  Misy mpianatry ny “Excellence” mandranto fahaizana amam-pahalalana amin’ny alalan’ny fiofanana any amin’ny Nosy Maurice, amin’izao fotoana izao.

Mahafehy tsara ny teny Anglisy ny mpianatra ao amin’ny “Excellence” araka izany indrindra fa rehefa misy ny fivoahana mankany ivelany dia enim-bolana ny fifaneraserana amin’ny teny Frantsay sy ny teny Anglisy. Ny saram-pianarana dia nataon’ny Sekoly ho zakan’ny sarambabem-bahoaka. Nanditry izay telo nijoroany izay dia tsy nampiakatra izany saram-pianarana izany hatramin’izay ny Sekoly na eo aza ny fiakaran’ny vidim-piainana mba ho fitsinjovana ny rehetra. Misy ihany koa ny fanamorana ny fandoavana ny saram-pianarana.

Manana safidy ny tanora mpianatra na izy tonga dia manatanteraka ny tetikasany na izy mbola hiasa amin’ireo orinasa efa mijoro dia izay vao manangana ny orinasany aorian’ny fahavitan’ny fianarany. Izany hoe aorian’ny fahazoana “Licence” dia na hitantanana orinasa ka hiasa tena na mbola hiasa amin’ny orinasa hafa aloha ny mpianatra. Arakaraky ny tetikasan’ny tsirairay no hahafahana manatanteraka izany.

Mbola malalaka ny sehatry ny fizahan-tany

Mbola malalaka ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagsikara amin’izao fotoana izao. Hampirisihana araka izany ny tanora mba hiofana amin’io sehatra io. Hianarana avokoa ireo taranja maro ao anatin’ireo. Ny fifaneraserana amin’izany sehatry ny fizahan-tany izany dia tokony hahafehy fahaizana amam-pahalalana maro. Tanjona ny hanome vahana izany fifaneraserana izany eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany izany ho eo amin’ny toerana hisy azy. Ny fampianaran’ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence” araka izany dia miezaka mamaly ny filan’ny sehatry ny fizahan-tany ankehitriny, araka ny fanazavan’ny filoha mpitantana sady mpanorina ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence-Instutit Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie”, Ramaholison Miarana.

Vous aimerez aussi