Manomboka ny 4 desambra hatramin’ny 6 desambra 2025 dia hanatanteraka fitokonana ihany koa ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa “Madarail”. Nametraka ny 72 ora izay fanajana ny lalàna momba izany fitokonana izany ny sendika. Anton’izao fitokonana izao ny fahatsapan’ireo mpiasa fa tsy mangarahara ny fitantanana ao amin’ity orinasa ity hatramin’ny nanaovana ny orinasa ho “mise en concession”.
Ankoatra ny fitokonana dia mitaky ny hialan’ ny mpandraharaha vahiny ao amin’ny orinasa ny sendikan’ny mpiasan’ny “MADARAIL”. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny orinasa. Mangataka ny hamerenana ny fitantanana ny orinasa “MADARAIL” amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa ireto mpiasa mivondrona anaty sendika ireto. Ny fitantanana ny orinasa “MADARAIL” izay nitontongana hatrany nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’izao fotoana izao. Tsy mihodina araka ny tokony ny orinasa na nambara aza fa nahazo famatsiam-bola hampihodinana izany, araka ny fanazavana voaray.


