“SKATE PARK” ANTANIMENA : Nolokoina “World Cola”

Ny fitokanana tamin’ny endriny vaovao ny “Skate Park” Antanimena izay miloko “World Cola” na ny “WOCO” no hetsika notontosaina, teny Antanimena, ny sabotsy 26 jolay 2025. Izany hoe: fitokanana nanomezana loko ny “Skate Park” Antanimena ho lasa lokon’ny “World Cola” dia ny mena sy ny fotsy ary ny manga izany. Notontosaina izany mba ho ainga vao ho an’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena sy ny tanora. Ambohipihaonan’ireo mpankafy “riders” sy mpilalao “skate” ary ireo mpanaraka ny kolontsaina an-tanàn-dehibe ny “Skate Park” Antanimena. Antony nanomezana endrika vaovao ny toerana mba hampamaoderina kokoa azy ka hampientanentana ireo mpilalao tsy ankanavaka. Io fanavaozana io izay mifanaraka amin’ny mahaizy azy ny “World Cola”.

Skate Park Antanimena

Mampirisika ihany koa ny famoronana sy ny fanehoana talenta ary ny fifampizarana araka izany izao fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny “Okalou” sy ny “World Cola” amin’ny alalan’izao fanomezanana endrika vaovao ny “Skate Park” Antanimena izao. Manamafy ihany koa ny fifandraisan’ny “World Cola” sy ny tanora izao toerana nohavaozina izao. Tanjona ny hamelona ny aingam-panahin’ireo tanora mba ho taratry ny angovo ananany. Ny “World Cola” no zava-pisotro “cola” ankafizin’ny maro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi