Mba ho fanohanan’ny STAR, ny reny sy ny zaza, indrindra fa ny hetsika iadiana amin’ny fako plastika dia nanolotra fanomezana ireo reny tera-bao, ny orinasa, ny 13 aogositra 2025. Fanolorana fitaovana fikarakarana (Kit de naissance) sy “EAU VIVE” ho an’ireo reny tera-bao tao amin’ny “Clinique et Maternité Fanantenana”, no endrika nanehoan’ny orinasa STAR, izany tolo-tanana izany. Ny 14 ka hatramin’ny 18 aogositra 2025 indray dia niompana tamin’ny fanangonana tavoahangy plastika efa niasa teny Tsararano, Antanimasaja, teny amin’ny sisin-dranomasin’i Maroala sy Petite Plage ary Grand Pavois, ny hetsiky ny STAR. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “KOPAKELATRA” no nanatontosan’ny orinasa izany.
Nisy ihany koa ny fametrahana vata fanangonana tavoahangy plastika KOPAKELATRA izay naparitaka teny amin’ny toerana nanatontosana ny “STAR TOUR”. Fako plastika maherin’ny 2.600 kilao araka izany ny voaangona tao anatin’ny 5 andro nanatontosana ny hetsika “STAR TOUR” tany Mahajanga. Fako plastika izay avadika ho “pavés autobloquants”, « pot » am-boninkazo sy biriky ary kifafa. Araka izany dia nandray andraikitra ara-piarahamonina (RSE) tanteraka ny orinasa nandritry ny nanatontosana ny “STAR TOUR Mahajanga”. Fanehoan’ny orinasa STAR izany fa vonona ny hifanome tanana ho amin’ny asa fampandrosoana lovain-jafy sy ho an’ny asa fampivoarana ny fiaraha-monina izy ireo, araka ny fanazavana voaray.
