Rehefa niato nandritry ny enin-taona dia hifanome fotoana amin’ny mpitsidika, eny amin’ny Bord Majunga, indray, ny “STAR Tour Majunga 2025”, amin’ity taona ity. Ny 15 ka hatramin’ny 17 aogositra 2025 no hanatanterahana izany. Ho fanafanana ny fotoana dia mpanentana sy mpanakanto isan-karazany no ho avy mandritra ireo telo andro ireo.
Manomboka ny 15 aogositra dia hisy ny “animation podium” miaraka amin’i Fou Hehy, Teg, Barhone, DJ Three T sy DJ Looping ary DJ Eloi. Ny sabotsy 16 aogositra indray dia Ckycky & Black Nadia no hanafana ny fotoana. Ceasar sy Ambondrona no hamarana ny lanonana, ny alahady 17 aogositra. Mandritra ireo telo andro ireo dia misy hatrany ny fety ho an’ny ankizy sy ny lehibe. Tsy anavahana sarangan-taona rahateo ity hetsika any Mahajanga ity toy ny hetsika “STAR Tour” rehetra izay karakarain’ny Star. Hisy ihany koa ny kermesy hampifaly ny mpitsidika sy hanolorana loka isan-karazany. Ho fanalàna hetaheta dia eo ihany koa ny « espace pression » izay mifanaraka tsara amin’ny hafananan’ny tanànan’i Mahajanga.
Ny toeram-pivarotana sy hetsika ara-kanto isan-karazany ihany koa dia ho hita eny an-toerana. Ho maro ny toeram-pivarotana hanenika ny sisin’ny ranomasina. Izy ireo dia ahitana ireo karazana zava-pisotro « STAR » rehetra ary ihany koa ireo tsakitsaky ahafantarana ny tanànan’i Mahajanga. Toy ireo hetsika rehetra karakarain’ny Star dia hifanome tanana amin’ny lafiny fandriam-pahalemana sy fiarovana amin’ny loza ny mpitandro ny filaminana, ireo mpiambina sivily ary ny Vokovoko mena. Tanjona ny filaminana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Omena lanja manokana araka izany ny fahadiovana.
Isan’andro dia hisy hatrany ny ekipa manokana hanadio ny toerana. Ny vata KOPAKELATRA izay fanangonana tavoahangy plastika avy nampiasaina ihany koa dia ho hita eny an-toerana ary hisy ny fanentanana isan-karazany manodidina azy io mialoha sy mandritra ny hetsika. Ho fetin’ny fianakaviana tanteraka araka izany ny “STAR Tour Majunga 2025”, mandritra ity fialan-tsasatra ity. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Mahajanga izao fiverenana amin’ny “STAR Tour Majunga” ao amin’ny renivohitr’i Boeny izao, araka ny fanazavana voaray.
