Ny “STAR TOUR OKTOBERFEST TAMATAVE 2025″ indray no fety aman-danonana ho karakarain’ny orinasa Star amin’ny volana oktobra 2025. Izy io izay hankalazaina amin’ilay hetsika antsoina hoe: ” OKTOBERFEST “. Ny “OKTOBERFEST ” dia volana hanomezan-danja ireo vokatra labiera vokarin’ny orinasa STAR manerana ny Nosy. Anisan’izany ny THB, GOLD, QUEENS sy ny BEAUFORT ary ny FRESH. Tanjona ny hizara fotoana mahafinaritra ho an’ny olon-drehetra. Hampiavaka ity andiany amin’ny “OKTOBERFEST ” ity ny fiverenan’ny “GOLD AMIGO” izay “bière tequila” efa fantatra sy ankifizin’ny mpanjifa hatramin’izay ka hatramin’izao. Tavoahangy 33cl no misy ny “GOLD AMIGO”. Zava-pisotro misy alikaola manampy ireo tsiro telo amin’ny vokatra “GOLD” araka izany ny “GOLD AMIGO”. 5,9% ny tahan’ny alikaola hita ao aminy ary jifaina amin’ny vidiny Ar 3 500 ny iray.
Voafetra ho eo anelanelan’ny volana septembre sy ny novambra ihany anefa ny fotoana azo hanjifana ny “GOLD AMIGO “. Ho fanombohana ity fetin’ny “STAR TOUR OKTOBERFEST TAMATAVE 2025” izay hankalazaina mandritry ny roa andro ity dia eo aloha ny fampahafantarana fa fety natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ny “STAR TOUR OKTOBERFEST TAMATAVE”. Hisy araka izany ny fety goavambe ao amin’ny “Parking Arena Sports”, ny 04 sy ny 05 oktobra 2025. Ho hita ao an-toerana amin’izany ny seho goavana hiarahana amin’ny LION HILL et LJO, ny sabotsy 4 oktobra. Ny Alahady 5 oktobra dia hanafana ny sehatra ROOTSMAN sy SAMOELA. Mandritra ireo roa andro dia hisy ny fanentanana hiarahana amin’ny FOU HEHY, BARHONE, TEG, DJ THREE T sy DJ LOOPING ary DJ LANDRY. Eo amin’ny sehatra sy ny “Espace kermesse” ary ny “Espace pression” no hanatanterahana izany. Ireo toeram-pivarotana marobe dia hanolotra fanentanana maro izay hahazoana loka isan-karazany. Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika, amin’ny alalan’ny fividiana zava-pisotro STAR amin’ny vidiny Ar 2 000 eo amin’ny fidirana.
Aorian’ny “STAR TOUR OKTOBERFEST TAMATAVE 2025” dia hisy ny “CAMION TOUR OKTOBERFEST” ny 09 ka hatramin’ny 20 oktobra 2025. Tanàna miisa 6 no handray izany izay ahitana fanentanana hahazoana loka “OKTOBERFEST”. DJ THREE T sy BARHONE no hametraka ny ambiansa mba hanetsiketsika ny any Sonierana Ivongo, Mahambo, Fénérive Est, Brickaville sy Vatomandry ary Mahanoro. Ankoatra ireo dia hisy ny fanentanana amin’ireo toeram-pivarotana manerana ny Nosy. Hankalazana ny “OKTOBERFEST” ihany koa ireo toeram-pivarotana, ny toeram-piantsenana lehibe sy salantsalany sy ny toeram-pivarotana solika ary ireo trano fisakafoanana. Hisy ny fanentanana ara-barotra maro manerana ny Nosy. Vina apetraka ny mba hankalazan’i Madagasikara ity fety ity, araka ny fanazavana voaray.


