“TANA DESIGN WEEK” ANDIANY FAHATELO : “Le Génie des plantes” no lohahevitra

Hifantoka kokoa amin’ny fampifandraisana an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao ny andiany fahatelo amin’ilay hetsika ara-java-kanto “Tana Design Week”. Eo ihany koa anefa ny fampihaonana ny Malagasy mba hirehareha amin’ny vokatra avy eto an-toerana. Manana harena ara-kolontsaina sy ara-teknika isan-karazany mantsy isika Malagasy. Izy io izay hoporofoina amin’ny alalan’ny fampirantiana, atrikasa, filatroana, fanehoana asa fikarohana, tontolon’ny lamaody sy ny maro samihafa.

Anton’ilay fampivondronanana ny mpahay asa tanana sy ireo mpisehatra eo amin’ny ara-kolontsaina sy mpandraharaha amin’io fotoanan’ny “Tana Design Week” andiany fahatelo io. Mandritry ny telo herinandro izay ny 28 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2025 no hanatanterahana eto Antananarivo ity hetsika ara-java-kanto ity. Mahatratra valo ireo Ivon-toerana eto an-drenivohitra handraisana ireo tetikasan’ny hetsika ara-java-kanto ireo. Anisan’izany ny eny amin’ny “Cite des Cultures” Antaninarenina, ny “Fondation H” Ambatomena, ny Oniversiten’Antananarivo, ny “IFM” Analakely, ny eny amin’ny Trano ho an’ny kolontsaina eny Ambohijatovo sy ny Mozean’ny zava-kanto ary ny eny Isoraka.

Hasongadina amin’ireo toerana valo ireo araka izany ny “Le Génie des plantes” izay lohahevitra amin’ity andiany fahatelon’ny “Tana Design Week” ity. Miara-mamolavola amin’ny tompon’andraikitra mpikarakaraka, Domi Sanji, ity hetsika ara-java-kanto ity, I Domi Sanji Imke Plinta sy Ravelomanantsoa Zelia ary Raharinirina Baomiavotse Vahinala arak any fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakaraka, Domi Sanji, teny amin’ny Café dy Rova, ny zoma lasa teo.

Vous aimerez aussi