“TANA SCHOOL EXPO 2025” ANDIANY FAHAROA : Nanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fitadiavana ny fianaran-janany

Ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika “Tana School Expo 2025” no notontosaina, teny amin’ny “Dyve Garden” Anosivavaka, ny sabotsy 10 may 2025. Ity hetsika ity izay nentina nanampiana ireo ray aman-dreny tamin’ny fitadiavana ny fianaran-janany any amin’ny Ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny Lisea raha teo ihany koa no nahafahan’izy ireo nijery ireo karazana fialam-boly azon’ireo zaza sy ankizy hatao. Na ireo sekoly manaraka ny rafi-pampianarana anglisy na ireo sekoly manaraka ny rafi-pampianarana frantsay na ireo sekoly manaraka ny rafi-pampianarana malagasy dia samy hita teny an-toerana avokoa tamin’io fotoana io. Misy amin’ireo sekoly ireo no manolotra ny fianarana siantifika sy informatika ary misintona ireo mpianatra sahady amin’ny fahalianan’izy eo amin’ny teknolojia vaovao toy ny robotika sy elektronika ary “Intelligence Artificielle”. Ankoatra ireo dia nandray anjara tamin’ity hetsika ity ihany koa ireo “Etablissement para-scolaire” sy ireo tolotra maro samihafa entina hampivelarana ny talentan’ny ankizy sy ny fianarana mozika, dihy, “arts plastiques”. Tranoheva niisa 20 no nivalamparan’ireo rehetra ireo tamin’ity hetsika ity. “Fifanampiana” araka ny tanjon’ny hetsika no nibahan-toerana tamin’ity “Tana School Expo 2025” andiany faharoa ity. Vina apetraky ny hetsika “Tana School Expo 2025” ny hamolavola mpianatra ho olom-banona indrindra fa ny hametraka ho avy mamiratra ho azy ireo. Anton’izao fanoloran-tanana ny ray aman-dreny izao. Ny 80 isan-jaton’ny fotoanan’ireo ankizy mpianatra ireo izay any am-pianarana avokoa. Ny “Fan Education Agency” no tompon’andraikitra mpikarakara ny “Tana School Expo 2025” tamin’io sabotsy 10 may 2025 io raha mpiara-niasa taminy ny “IT College”. Ny « Ecoles Internationales Maarif – Madagascar » sy ny « Au village des Schtroumpfs Andranobevava et Au Village Des Schtroumpfs Ivato » no nanohana ofisialy izany, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny hetsika avy ao amin’ny « Fan Education Agency ».

Vous aimerez aussi