TANORA “DIASPORA” MALAGASY TONGA ETO MADAGASIKARA : Hitondra fampandrosoana amin’ny alalan’ny fizarana traikefa

Mpilatsaka an-tsitra-po tanora vaovao avy any ivelan’ny Nosy na “Diaspora” avy amin’ny “fandaharanasa Loharano II-Cohorte 2025” izay ao anatin’ny tetikasa “Tantsoroka ho an’ny DIASPORA” na ny TADY no noraisina tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 13 jona 2025, teny Soarano.

17 mianadahy ny isan’ireto teratany Malagasy izay avy any France, Etazonia sy Sénégal ary Djibouti, ireto. Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 30 taona avokoa izy ireo. Ireto mpilatsaka an-tsitra-po vaovao teratany Malagasy ireto izay hiampy efatra indray amin’ ny herinandro ho avy izao. Mandritry ny efa-bolana no hanatanterahan’izy ireo izany asan’ny mpilatsaka an-tsitra-po izany amin’ireo tanàna miisa 11 eto Madagasikara, manomboka izao.

Asam-panasoavana hiompana tanteraka amin’ny fampandrosoana eny ifotony no hifantohan’ny fifampizaran’ireto mpilatsaka an-tsitra-po ireto amin’ireo tanàna holalovany. Izy ireo no misafidy ny fahaiza-manaony amin’izany araka ny fianarana norantoviny. Hizara traikefa momba ny fahasalamana, ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fanabeazana, ny tontolo iainana, ny teknolojia, ny fandraharahana sy ny fambolena ary ireo maro samihafa araka izany izy ireo.

Zava-dehibe ho an’ny mpiray tanindrazana izao “fandaharanasa Loharano II-Cohorte 2025” izay ao anatin’ny tetikasa TADY izay am-pielezina amin’ireo tanora avy any ivelan’ny Nosy izao satria dia hibahan-toerana amin’izany ny fifanakalozana. Hampiofanina momba ny serasera, ny resaka kolontsaina malagasy sy ny fandriam-pahalemana ary ny “Leadership”, ireto tanora mpilatsaka an-tsitra-po ireto, mialoha ny hidinan’ izy ireo eny ifotony.

Ankoatry ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto dia natolotra azy ireo, tamin’io fotoana io, ihany koa, ny “kits de volontaires” izay hanatanterahan’izy ireo ny asany. Miisa 16 ireo mpanohana ireto “Diaspora” ireto amin’izany fanatanterahan’izy ireo ny asany izany. Anisan’izany ny “Alliance francaise” any Mahajanga, ny “Jeune Chambre Internationale d’Antsiranana”, ny “Consortium des Jeunes Vonona de Maintirano”, ny fikambanana Soakilonga avy any Ihosy, ny fikambanana Atoy sy Agny avy any Fianarantsoa sy ireo maro samihafa.

Ny “Loharano II-Cohorte 2025” izay fandaharanasa iray ao amin’ny tetikasa Tantsoroka ho an’ny DIASPORA (TADY) dia ​​tarihin’ny ao avy amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny.  Mpanatanteraka ny fandaharanasa  izay haharitra hatramin’ny taona 2027 ny “Organisation Internationale pour les Migrations” na ny OIM izay hiarahany amin’ny “Institut de Recherche pour le Développement” na ny IRD. Vatsian’ny “AFD” vola kosa ny tetikasa TADY izay miaraka amin’ny fanampiana teknikan’ny “Expertise France”.

Tonga nanotrona ity fotoana ity, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric.Teo ihany koa ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Arnaud Guillois ary ny Talen’ny Fandaharan’asan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fifindra-monina (IOM) Eliane Kanga, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi