TANORA MANDRAFITRA NY HO AVY : Nitafa tamin’ireo tanora Malagasy ny filoha Andry Rajoelina

Tontosa ny zoma 26 Novambra 2021 tao amin’ny Novotel Ivandry ny hetsika “Tanora Mandrafitra ny ho avy”. Fotoana nahafahan’ireo tanora sy mpandraharaha eto Madagasikara nitafatafa sy nifampidinika nivantana. Niaraka nanatontosa izany ny FIHARIANA izay programam-pirenena ho an’ny fandraharahana napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena izay notarihan’ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, ary ny PNUD. Ny tanjon’ity hetsika ity moa dia ny hampiraisana ireo mpisehatra malagasy amin’ny fandraharana mba hisian’ny fifanakalozana sy ny fifampidinihina mahomby.

Anisan’ny nampiavaka ity andro ity ny resadresaka nifanaovan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo tanora Malagasy mpandraharaha ka nahafahan’izy ireo nametraka fanontaniana manitikitika azy ireo mifandraika amin’ny fanana asa, ny fandraharahana, ary ny anjara toeran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny toe-karena eto amin’ny firenena. Nandritra izany fotoana izany koa no nanaraotan’ny Filoham-pirenena nandroso vahaolana maharitra sy azo tsapain-tanana ho an’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara mba hanomezana lanja ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana azy ireny, ho fanohanana ireo orinasa vao misondrotra.

“Horesentsika ny tsy fanana asa eto Madagasikara” hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Efa natombotsika tamin’ny FIHARIANA izany, izay fandaharan’asa manohana ireo tetikasan’ny tanora eo amin’ny seha-pihariana samihafa toy ny fambolena sy fiompiana. Vokatr’izany, asa miisa 140 000 no voaforona nandritra ny roa taona sy tapany, ankoatra ny fanomezana tany hamokarana, masom-boly ary ny fampanofanana ireo nisitraka izany, hoy hatrany ny Filoha.

Hapetraka manerana ny renivohi-paritany ihany koa ny ivon-toeram-panofanana arak’asa izay ahitana ireo lalam-panofanana mamaly ny filàn’ny firenena toy ny tao trano sy lalana, ny fambolena sy fiompiana…

Anisan’ny tapaka nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fametrahana ny Filan-kevi-paritry ny Tanora manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara sy ny “Conseil National de la Jeunesse”. Hokarakaraina ihany koa ny Fikaonan-dohan’ny Indostria andiany voalohany sy ny fihaonana amin’ireo teratany Malagasy monina any ampitan-dranomasina mba hamaritana ireo karazana fampandraisana andraikitra izy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

“Tokony ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tanora ary ny Fitondram-panjakana kosa dia miara-dalana amin’izy ireo sady manohana ireo tetikasa hanomezana ho avy tsara kokoa ho an’ny tanora Malagasy” hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina.

Vous aimerez aussi