Hotanterahana ny 3 sy ny 4 jona 2025, eny amin’ny “Cité des cultures” Antaninarenina, ny famelaberan-kevitra arahana adihevitra mahakasika ilay fampirantiana ny tantara ara-toekarenan’i Madagasikara izay feno 1.300 taona. Famelabelaran- kevitra izay hitondran’ ireo mpandraharaha, mpampianatra mpikaroka, mpahay toekarena sy sosialy avy eto an- toerana sy avy any ivelany, ny fomba fijeriny.
Fankalazana fampirantiana izay hiarahan’ny Sampam-piofanana Tantara eny amin’ny FLSH eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny FTHM consulting. Tanjon’ny roa tonta ny hampahafantarana amin’ny Malagasy rehetra fa misy hatrany ny fifanjohian’ny tantara sy ny ara-toekarena izay misy fivoarany hatrany mandritry ny vanim-potoana lalovany. Izany hoe: tsy afa-misaraka ny ara-tantara sy ny ara-toekarena eto amin’ny firenena. Ny fivoarana ara-toekarena sy ny tantara izay tsy tongatonga ho azy fa misy antony avokoa. Ny tantara ara-toekarenan’i Madagasikara izay niainga tamin’ny fifanakalozana ara-barotra tamin’ny faha-mpanjaka. Niova endrika izany tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany satria nisy ny fifanakalozana ara-barotra izay narahana lelavola. Izy io izay mbola iainantsika hatramin’izay ka hatramin’izao.
Tanjon’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny fampirantiana izay ny FLSH ao amin’ny Sampana Tantara eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny FTHM consulting ny hitondra an’i Madagasikara eo amin’izao tontolo izao. Ity fampirantiana ny tantara ara-toekarenan’i Madagasikara ity izay hanehoana ihany koa ireo sary maneho ny endriky ny fivoaran’ny toekarena teto Madagasikara. Izy io izay hotanterahana ny 13 ka hatramin’ny 30 septambra 2025, eny amin’ny “Cité des cultures” ihany koa, araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ireo, teny Ankatso.
