Andrianjafindrabezezika Johnson Solofomaherivelo, no tena anaran’ny tovolahy. B-Keys-Johnson no solonarana nofinidiny eo an-kianjan’ny hira sy ny mozika. « B-Keys » adika tsotra hoe : Manana fanalahidy maromaro afaka hitrandrahana ny mozika sy ny hira. Tombony ho an’ity mpanakanto vao erotrerony ity rahateo ny nandrantony fahalalana sy nahafahany nanatevina ny traikefa ombana haizatra amin’ny fanaovana ny mozika. Tsongaina amin’izany ny naha mpikambana sy nitarihany Antoko mpihira teo anivon’ny Fiangonana an-taonany maro, ny fifampikasohana tamin’ny andrarezin’ny fitendrena ny gitara beso toa an’i Tôty, sns.
Mahafehy ny fampiasana ny « Solfa » sy ny « Solfège » ary ny fikirakirana ny lafiny feo i Andrianjafindrabezezika Johnson Solofomaherivelo, izay tapa-kevitra ny nanangana ny tarika « B-Keys-Johnson » ny taona 2023 Rehefa avy nahavita ny adidiny tamin’ny fanampiana sy ny fanolora-tanana ireo mpanakanto malagasy namany maromaro teo am-pamakivakiana ny lalan-tsarotry ny mozika. Ankoatry ny talenta efa latsaka anaty tao aminy, azo ambara, ho nanampy betsaka sy tombon-dahiny ho an’ny tovolahy ny fanovonana izany tamin’ny alalan’ny fandalinana bebe kokoa hatrany ny taranja mozika. Manavia manavanana amin’ny famoronana tononkira, fitendrena zavamaneno ary ny fandrindrana hira, araka izany, i B-Keys-Johnson.
Ankehitriny, efa amperinasa tanteraka ny tarika « B-Keys-Johnson » ho amin’ny fanabeazam-boho tsy miato ny mozika malagasy. Mampiavaka ny tarika ilay fampifangaroana gadona roa anatin’ny tsanganasa iray mba hanome mozika vaovao kanto mahafeno hatrany ny famaritana ny atao hoe : « Kanto » Vazo iray efa manomboka tsy afaka am-bavan’ny maro nojarian’ny tarika « B-Keys-Johnson » ny « Silasilaka » Ity farany izay azo avy amin’ny fampiarahana ny « Afro » sy ny « Sôva » Ireo trangam-piaraha-monina andavanandro no « Akora fototra » entinay mamokatra ireo vazony, hoy i Andrianjafindrabezezika Johnson Solofomaherivelo. Mirakitra hafatra miendrika fanabeazana hatrany, araka izany, ireo tononkiran’ny tarika izay misandrahaka amin’ny lafim-piainana marolafy.
Mahafehy gadona maro (Milamina sy mihetsika) ity tarika miezaka ny hanabe sy hanala voly ny sokajin-taona rehetra ity. Marihana fa misy rafitra efa maty paika eo anivon’ny tarika izay samy manana ny anjara asa sy andraikitra tantanany. Tsongaina amin’ireny ny lafiny fianjaika rehefa miantsehatra, ny fandrindrana ankapobeny ny tarika, ny lafiny serasera, sns. Mpandihy miisa roa ambinifolo sy mpitendry zavamaneno sady misahana ny feo lafika dimy mianadahy no mandrafitra ny « B-Keys- Johnson » Ny pejy Fb « B-keys ofisialy » sy ny « Johnson B-keys » ary ny laharam-pianday 038 58 765 09 sy ny 038 52 666 44 no hahafahana mitafa mivantana amin’ny tarika. Ireto farany izay an-dalam-piketrehana fitetezam-paritra hiazo an’Alaotra ato ho ato.
