TARIKA « GASY MI… » : Manandratra ny Mozika sy ny Soatoavina malagasy

Tano ny Anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie Ianao ! Ireo andalam-pehezanteny maromaro ireo  no mahafehy ny antom-pisian’ny tarika « Gasy mi ». Ny « mi… » azo halavaina amin’ny hoe : miangaly, milay (tsara), mankafy ny raitra sy ny kanto, sns hoy i Angelo, iray amin’ireo angady nananana sy vy nahitana ity tarika izay tsy sasatra ny manandratra avo hatrany ny kanto an-kira sy dihy nentim-paharazana malagasy izay samy mirakitra soatoavina sarobidy tsy voasanda vola aman-karena ho antoky ny fampandrosoana.

Tsy voafetra hatreo amin’ny fivoizana indray ireo vakomanitra malagasy toy ny hira sy ny dihy nentim-paharazana tahaka ny vakodrazana, sôva ary ireo gadon-kira nentin-drazana avy any amin’ny faritra ry « Gasy mi » fa milofo ihany koa ho amin’ny fikarohana ny fomba kanto hampiarahan-dalana ny gadona malagasy anisan’ireny ny Sôva sy ny  « Afro » (Ban-kira avy atsy Afrika) Tsotra ny antony, hoy i Angelo dia ny hanamorana ny fomba hampitiavana indray ireo taranaka ny mozika nentim-paharazana malagasy. Manampy ny fanaovana fikarohana hanatsarana sy hampanarahana ny vanimpotoana iainana ireo tsanganasany dia mikaroka ny fomba ahafahana hisintonana ireo Tanora hankafy ny « mozikan’ny taniny » ihany koa ny tarika « Gasy mi ». Anisan’ireny ny fampiainana ny tononkira amin’ny alalan’ny fihetsika laroina hatsikana amin’ny endrika tantara fohy nefa feno anatra mafonja sahaza ny isam-baravarana rehefa miantsehatra izy ireo. Mampiasa ireo zavamaneno vita malagasy tahaka ny tsikadraha, korintsana, ambio, langoroana, sns ny ny tarika « Gasy mi » izay ahitana mpikambana miisa roambinifolo mianadahy miaraka amin’ireo mpandihy. Miezaka mampifanaraka ny soradihy sy ny fianjaika eny an-tsehatra ny tarika mba hanamorana hatrany ny fampitana ireo hafatra anatin’ny tononkiran’izy ireo.

« Chérie malala ! » Io no tsanganasa vao mangotraky ny « Gasi mi…» amin’ny endrika rindran-tsary ombam-peo « Clip » efa re sy hita eny anivon’ireo haino aman-jery maro eto Analamanga. Ity vazo ity izay nentin’ny « Gasy mi…» naneho fa mahafehy gadon-kira hafa ankoatry ny nentim-paharazana izy ireo ary tsy mifidy sokajin-taona ny ny fankafizana ireo kanto an-kira sy dihy voiziny. Tsikaritra anatin’ny rindran-tsary ombam’peon’ny tarika ihany koa ny fanehoana an-tsary hatrany ireo vakoka hita maso mampiavaka an’i Madagasikara. Raha fintinina, mampiara-dia hatrany ny mahasoa sy ny mahafinaritra ry « Gasy mi… » ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ity Nosy misarin-tongotra ankavia ity.

Vous aimerez aussi