TARIKA MAHALEO : Nodimandry i Fafah

Nodimandry i Fafah. Na dia efa nihatsara aza ny toe-pahasalamany dia hafa kosa ny lahatra. Nandao izao fiainana izao izy, teo amin’ny faha-65 taonany, rehefa nanaraka fitsaboana noho ny fahasemporana teny amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona, Ampefiloha.

Nihena iray indray izany ny mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo, taorian’ny fahalasanan’i Nono sy Raoul.

Niavaka i Fafah

Azo lazaina ho nitana ny fototra ara-peo teo amin’ny tarika Mahaleo i Fafah. Niavaka loatra ny feony ka na ny tarika hafa aza dia nila azy teo amin’ny fampiaraham-peo. Anisan’izany ny Feo Gasy, izay nisy an-dry Rakoto Frah, VHF (Vavaka Hira Fiderana), izay nisy an-dry Bodo, Luk, Mahery,… Ary toa avy amin’izany no nandehanany irery, ka nanaovany hiram-pivavahana samihafa tamin’ny raki-kira « Foiko manontolo », izay nahenoina ny « Enga anie ka homba anao Jesoa », « Esory re ry Raiko ! », « He Jehovah no Mpiandry ahy »,…

Handalo ny Lapan’ny Kolontsaina

Eny amin’ny trano fonenany, eny Andohalo, no hiandrasana ny nofo mangatsiakan’i Famatanantsoa Rajaonarison Andriamihaingo. Handalo eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina, eny Mahamasina kosa anefa, mialoha ny handevenana azy, ny alarobia ho avy izao, eny amin’ny fasan-drazany eny Ilafy.

Tsy hisy ny fiandrasana ny razany eny, fa hisy kosa ny fotoana hiarahana amin’ny mpanakanto manomboka amin’ny 10 ora maraina.

Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia maneho fampaherezana ny vady andefimandriny sy ireo zanany efatra mianadahy, ary koa ny tarika Mahaleo.

Vous aimerez aussi