TARIKA « NY ANY AMINAY » : Hiaka-tsehatra etsy Ambohimangakely

Ny taona 1983 no niorina ny tarika Ny Any Aminay. Telo mirahalahy no miantsoroka ny lafiny famoronana sy fitendrena zavamaneno. Ahitana an-dRakotoarisoa izay lehiben’ny tarika voalohany efa lasa nodimandry, Naivoarivelo Rakotondratsimba « Dadanaivo » izay filohan’ny tarika amperianasa sady mpitendry valiha ary i Rakotondraibe Bernard.

Bagasy omena aina amin’ny alalan’ny ritso-baliha, piano ary gitara ravahan’ilay feomanga feno angolan’ireo mpihira eo anivon’ny « Ny Any Aminay ». Ireo no mandrafitra ny tsanganasan’ny tarika. Manana lohahevitra iompanana izahay mpamoron-kiran’ny « Ny Any Aminay », hoy i Dadanaivo. Anisan’ireny ny fitiavan-tanindrazana, fitiavana, hira fiderana ary tsy hadino ihany koa ny fizarana fampaharezana sy ny fivazoana ny hanitra soa nentin-drazan’ny Soatoavina tahaka ny fihavanana ombana firaisankina. Tsy mihanona hatreo amin’ny fampiasana ireo zavamaneno nentim-paharazana toy ny valiha sy ny gitara tsotra ny tarika fa mamolaka ireo « Zavamaneno mavesatra » tahaka ny apongamaroanaka, gitara beso sy maranim-peo, vata maroafitsoka, sns rehefa milalao ireo gadona mihetsika ho fanomezana fahafaham-po ireo mpilanona te handihy.

Taorian’ny fankalazana ny faha telopolo taona nijoroany dia hanolotra seho goavana, ny tolakandron’ny 25 aogositra ho avy izao, hanomboka amin’ny « ampamatoran-janak’omby » (Telo ora folakandro) ao amin’ny KR Villa Ambohimangakely RN2, izay toerana fanaovana fampisehoana efa fantatry ny maro eny Ambohimangakely ny tarika « Ny Any Aminay » Hanotrona azy ireo amin’izany ny tarika « Zandry gasy ». Ireto farany izay azo ambara fa solofo dimbin’ny Ala ihany koa amin’ny filalaovana ny bagasy an-gitara ravahan’ny feo kanto ananan’ireo mpikambana ao aminy. Tsy ny sofina na ny maso ihany no hahazo ny anjarany anatin’ity fampisehoana ity fa hisy ihany koa ny « kitonotono » sy ireo zavapisotro sahaza ny rehetra. Noezahana ho zakan’ny rehetra rahateo ny sandan’ny fandraisana anjara. Afaka miserasera anatin’ny tavam-boky « Ny Any Aminay ofisialy » ireo rehetra lian-kanto te hianoka ny bagasy tsy manam-paharoa sy tokana aman-tany.

Vous aimerez aussi