TARIKA NY VOANIO FENO 60 TAONA : Hanatanteraka fampisehoana maro

Feno 60 taona ny Tarika Ny Voanio, amin’ity taona 2025 ity. Tsy navelan’ireo taranaka mpandimby aty afara handalo fotsiny izany fotoan-dehibe izany. Anton’ilay fampisehoana hotanterahan’izy ireo eny amin’ny CC ESCA Antanimena, ny 24 aogositra 2025. Mialohan’io anefa dia hanatanteraka fampisehoana any Toamasina ihany koa, izy ireo, ny sabotsy 2 aogositra 2025. Fampisehoana izay entina hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy any an-toerana na efa nanatontosa fampisehoana ihany aza ny tarika ny volana febroary lasa teo.

Tany amin’iny faritra Atsinanana iny rahateo no niorina ny tarika, ny taona 1965. Raha niisa enina mianadahy ny Tarika Ny Voanio tany am-piandohana dia ny zanak’izy enina mianadahy ireo ihany no hizara tsiaro ho an’ireo mpijery sy mpankafy amin’ireo fampisehoana rehetra izay hotanterahan’izy ireo. Manodidina ny 40 eo ho eo ny isan’ireo hira hovelomin’izy 6 mianadahy taranaka mpandimby ireo amin’ireo fotoana hanatanterahana ny fampisehoana ireo. Haharitra ora telo ny fampisehoana. Ny 28 amin’ireo hira ireo no hatolotry ny tarika Ny Voanio amin’ny tapany voalohany amin’ny fihaonan’izy ireo amin’ireo mpankafy sy ireo mpijery.

Hiara-hiaka-tsehatra amin’ny Tarika Ny Voanio i Salomon sy i Narisoa raha ny fampisehoana amin’ny 24 aogositra 2025 no resahana. Eo amin’ny fizarana faharoa dia ireo hiram-bavaka no hasongadin’ny Tarika. Ny fizarana fahatelo kosa no hihanohan’ny mpankafy sy mpijery ny Tarika ny Voanio ranoray. Afaka mangataka hira izay tiany ny mpijery sy ny mpankafy aorian’io fizarana fahatelo io. Hisy endrika fampisehoana miavaka izay tsy ampoizina amin’io fotoana io eny an-tsehatra. Azo jerena eny amin’ny efijery goavana ireo tantara niavaka sy mombamomba ireo mpikambana amin’ny Tarika teo aloha sy ny ankehitriny mandritry ny fampisehoana rehetra, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi