Ny taona 2015 no nanomboka nanakorisa ny peniny ho amin’ny famoronana hira mitaiza fanahy hifikitra mandrakariva amin’Andriamanitra sy manome fahafinaretana ny saina amam-batana amin’ny alalan’ny kanto an-kira i Ruidy Manampisoa. Mpanakanto vao erotrerony ny tovolahy, resy lahatra, fa mila ampiasaina ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny talenta avy amin’ilay Ray mpahary.
Anisan’ny mampiavaka ny tarika ilay fananana tononkira mora raisina sy « mahitsy toraka » amin’ny fampitana ireo hafatra sahaza ny isam-batan’olona sy sokajin-taona rehetra. Ankoatra ireo, mirona kokoa ho amin’ny famolahana ny fampiasana ireo gadonkira mihetsika ho amin’ny fanabeazam-boho sy fanapariahana ny filazantsara toy ny « malesa », « zouk love », « sud af », « Sega » sns ny tarika « Ruidy’s Manampisoa » Tsotra ny antony, hoy, i « Ruidy’s Manampisoa » dia ny hahafahana manamora ny fomba fampitana ireo hafatra voarakitra anatin’ireo tononkira. Ampahany amin’ireo sanganasan’ny tarika ilay hoe : « Mba ilazao vaovao any ! ».
Amin’ity taona 2025 ity no hanatobaka ireo tsanganasany voajariny nomen’ny Tompo azy hatramin’izay ny tarika « Ruidy’s Manampisoa » Anisan’ny efa vita rindran-tsary ombam-peo « Clip » ilay vazo « Fahitam-pitia ». Tsy ho ela rahateo ny hamoahan’ny tarika ny « Album » voalohany « Tsy mandevina talenta ». Ity lohateny ity izay mbola manamafy hatrany ny antom-pisian’ny tarika dia ny hitaona ny Olombelona tsy ankanavaka hiara-dia mandrakariva amin’ilay Nahary izao Tontolo izao. Marihana fa mahafehy ny fiangaliana ny mozika milamina ihany koa ny tarika. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ho fanapariahana ny vaovao mahafaly ny tarika.
