Elaela tsy niaka-tsehatra ny tarika “Solika” ! Hifanome fotoana ho an’ireo mpankafy ny bagasy teatraly sy ireo Renim-pianakaviana tonga fety, izy 18 mianadahy, izay efa ahitana tanora lahy sy vavy mandrafitra azy koa ankehitriny, ny alahady 04 jona, ho avy izao, eny amin’ny Espace Rose By-pass.
Fotoana mamy ho an’i Neny, io no lohahevitra nampisaloran’ny avy ao amin’ny “Groupe Jet location” mpiketrika ny fampisehoana iarahana amin’ny “Solika” ity. Ankoatry ny fankafizana ny hakanton’ ireo hira tsy mety lefy laza nojarian’ireo mpanakanto malagasy andrarezina izay hokaloin’ny tarika Solika eny an-tsehatra dia hiaraka hanjifa sy hankafy ireo sakafo atolotra am-pitiavana be ihany koa ireo mpilanona hiazo ny Espace Rose By-pass.
Ezahana hasongadina sy omena ny sehatra maha izy azy koa ny fianjaika malagasy izay iarahana amin’ireo tanora vao misondrotra mpiangaly ny sehatry ny fianjaikana sy ny lamaody maneho ny maha malagasy. Ankoatry ny fizarana hafaliana ho an’ireo Renim-pianakaviana izay tonga fety amin’io fotoana io dia tanjon’ny “Groupe Jet location” mpikarakara ihany koa ny hampitiavana indray ny kolontsaina malagasy hoa n’ny Malagasy izay toa variana sy sondriana loatra amin’ny kolontsain’ny hafa firenena izay mibosesika sy manao be fiavy eto amintsika ankehitriny.
