TARIKA SOLIKA : Hihira ho an’ireo Reny

Ny Alahady 25 Mey 2025, amin’ny telo ora ora tolakandro,  etsy amin’ny CCESCA Antanimena, no hian-tsehatra ny tarika Solika. Fampisehoana tafiditra ho amin’ny fankalazana ny fetin’ny reny. « Fetin’ny Reny mampiray hina » no lohahevitra entin’ny Tarika Solika sy ny avy eo anivon’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana mpikarakara noho ny Reny fototry ny teny hoe : « Firenena » ny fampisehoana. Ny fanomezana toerana mendrika sy ambony ny Reny eo anivon’ny fiarahamonina, dia haseho amin’ny endrika manokana mandritra ny seho. Ny haingon-tsehatra, ny hira voalahatra, araka izany, dia samy hitory fanentanana momba ny Reny sy ny firaisan-kina izay andry mampiorina ny kolotsaina malagasy.

Haharitra ora roa sy dimy ambiny efapolo minitra ny fampisehoana izay hisy fizarana roa. Mpandray anjara miisa fito ambiny folo no hifandrimbona eny an-tsehatra hamelona ireo sanganasan’ireo mpamorona andrarezina toa an’i Andrianary Ratinarivo, Jean Ratsaramiafara, Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Rasamy gitara, Therack Ramamonjisoa, Georges Andriamananatena, Samuel Rahamefy, sns Ireo karazan-kira nentina nandravaka ny piesy teatraly tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-XX, araka izany, no ho heno eny an-toerana mandritra ny fampisehoana. Hisandrahaka amin’ny lohahevitra maroloko toy ny manodidina ny Reny, fihavanana, firaisankina, fifankatiavana, fitiavan’olon-droa amin’ny endriny rehetra : hasarotam-piaro, ady, fifamelana, fitia vao mitsiry, ny hambo, ny fisarahana, ny fahadisoam-panantenana, ny alahelo ary ny fiainana andavanandron’ny fiarahamonina, ny toerana malaza, ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny fahafatesana, ny vola, sns…ireo hira miisa telo ambiny efapolo hokaloina eny an-toerana.

Anisany mampisongadina sy mampiavaka ny tarika SOLIKA ny fiangalian’izy ireo ny hira rodobe misy Beso maredona miaraka amin’ny mpisehatra mihoatra ny dimy ambiny folo, kanefa eo ihany koa ny rodokely ataon’ny mpihira efatra na dimy ary indrindra koa ny rodobe an-dehilahy fotsiny toy ny “He! Diavolana”, na rodobe am-behivavy fotsiny toy ny “Andeha hanasa lamba”. Ny “trio” hiran’olon-telo izay mifanenjika toy ny “Mbola manina ve?” sy  ny “Inona no mampahory an’i Neny?” izay efa naha-sangany ny Tarika SOLIKA hatrizay. Tsy azo adinoina rahateo ny hiran’olon-droa “duo” ataon’ny lehilahy sy vehivavy, na lehilahy roa, na vehivavy roa sy ny hiran’olon-tokana “solo”. Ny tarika Solika na ny « Solofo LianKanto » izay hivondronan’ireo taranaka liana amin’ny zavakanto. Vondrona mpisehatra manokana momba ny hira teatra malagasy tamin’ny taona 1920- 1950, niainga avy tamin’ny mpikambana tao amin’ny ATAUM (Fikambanan’ny mpianatry ny oniversiten’i Madagasikara) tao amin’ny campus Ambohitsaina tamin’ny taona 1969 mba hamelomana indray ireo hira malagasy fahiny.

Tamin’ny taona 1989 dia nisy mpikambana taloha nihaona indray ary nanangana ny tarika SOLIKA. Ankehitriny dia efa tafiditra ao anatin’ny vondrona ny tanora hanohy ny famelomana ny kanto.

Ankoatra ireo hira efa malaza nahafantarana ny Tarika SOLIKA hatrizay, dia hisy famelomana ireo hira tranainy, miisa efatra izay mbola vaovao amin’ny sofin’ny mpankafy ihany koa, ny tolakandron’ny Alahady 25 Mey ho avy izao, etsy amin’ny CCESCA Antanimena.

Vous aimerez aussi