TETIBOLAM-PANJAKANA 2020 : Omena 10 miliara ar ny isam-paritra

10 miliara ar isanisany no hatolotra ireo governora manerana ny Faritra 23, ka ny 4 miliara ar dia natokana ho amin’ny famokarana ary ny 1 miliara ho amin’ny fampandehanan-draharaha. Izany no anisan’ny tetibolam-panjakana ho laniana amin’ny taona 2020 ho avy iny.

Toekarena

Hisy ny fanomezan-danja sy fanomezam-bola azo avy amin’ny fitantanana ireo harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina ary ny vokatra ara-pambolena.

Tohizana ny fitantanana ny fananam-panjakana ary arahi-maso ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Hofanina mba ho matihanina, araka izany, ireo sampan-draharaha mpamory hetra ary hatsaraina ny politika momba izany hetra izany.

Hampiroboroboina ny e-gouvernance, ahazoana manatsara ny fangaraharana sy hanamora ny fikirakirana ireo antotan-taratasim-panjakana.

Sosialy

Hapetraka ny foibem-pitantanana ara-tsosialy. Ny governemanta koa dia mihevitra ny hametraka ny rejisitra nomerikam-pirenena momba ny sora-piankohonana hanatsarana ny fiandraiketana an-tsoratra ireo fiankohonana sy ny fametrahana ireo antontan’isa momba ny fahavelomana. Ilaina, noho izany, ny fampiasana solosaina eo amin’ny fitantanana ny kara-panondrom-pirenena.

Eo ihany koa ny fanomezana andraikitra ireo manam-pahefana eny ifotony, toy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny sampan-draharaha ara-teknika amin’ny fanapariaham-pahefana.

Eo amin’ny sehatry ny Fitsarana dia ampitomboina ireo foto-drafitrasa eny amin’ny fonja mba ho tsara ambina sy manaraka ny lalàna ireny toerana ireny.

Hatsaraina ny fitantanan-draharaham-panjakana ka alavirina ireo fomba tsy nahitam-bokatra, toy ny kitranoantrano, ny kolikoly, ny fampiasana tsy ara-dalàna ny fahefana, izay manao tsinontsinona ny tombontsoa iraisana.

Hakarina ny harinkarena faobe

Ny politika ankapoben’ny fanjakana dia nametraka tanjona ny amin’ny fampitomboana ny harinkarena faobe ho 5,5% ary 15 % ny tahan-ketra amin’ny 2020. Ho 7% kosa no hiheverana ho fisondrotry ny harinkarena faobe amin’ny 2023.

Ny fifehezana ny fisondrotry ny vidim-piainana sy famerana ireo fatiantoka amin’ny tetibola dia manodidina ny 3% amin’ny taona 2020.

Misy ny fepetra

Fepetra miisa 15, araka izany, no natolotra ho fandaharan’asa sy lalàna hifehy ny fitantanam-bola mba hisian’ny vokatra mahomby.

Anisan’izany ny fanajana ireo foto-kevitry ny fanjakana tsara tantana sy tàn-dalàna, ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny fiarovana ny fananan-tany, ny fitantanana feno ny morontsiraka sy fari-dranomasina, ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiainana andavanandron’ny mponina, ny fampiroboroboana ny foto-drafitrasa fototra ara-tsosialy, toy ny fanabeazana sy ny fahasalamana, ny fidiovana, ny lalana, ny fanabeazana fototra sy ny fahasalamana fototra. Eo koa ny fampihenana ny tsy fitovian-tsaranga, ny tan-tsoroka ho fananganana orinasa,…

Vous aimerez aussi