Antoka iray ahafahana mahazo fahasalamana tomombana ny fihinanana sakafo voajanahary sy ny fahaizana mandanjalanja ny fanjifana azy ireny araka ny vanim-potoana misy, hoy Ramatoa Randriarimanana Zafiharinivo « Madame Nivo ». Ity farany izay namorona ny tetikasa « Fahasalamana mamiratra », manana ny foibe-toerany eny Maibahoaka Ivato Antananarivo.
Ankoatry ny fitsaboana ireo aretina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo sakafo ara-boajanahary « Bio » toy ny legioma sy ny voankazo ary ny serealy dia manodina ireo zavamaniry misy eto Madagasikara hanjary ho fanafody biolojika fampiasa amin’ireo karazan’aretina maro be ihany koa ny « Fahasalamana mamiratra ». Fanomezam-pahasoavana miampy ireo fandalinana sy fiofanana nataoko ary ny fiankinana mandrakariva amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Ireo mitambatra no nahafahako manatontosa ny asa fitsaboana ireo aretina marolafy sahaninay « Fahasalamana mamiratra », hoy Randriarimanana Zafiharinivo.
Nomarihan’ny avy eo anivon’ny « Fahasalamana mamiratra » fa mila apetraka amin’ny toerana sahaza azy ary omena ny hasiny ireo « Mpitsabo amin’ny fomba natoraly ». Maro amin’ny Malagasy ary tsy vitsy amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fahasalamana eto amintsika no manao tsinontsinona azy ireny ankehitriny noho ny fiarovana tombontsoa manokana na ny fanerena ankolaka na mivantana ataon’ireo firenena vahiny. Misy mihitsy aza ny manasokajy azy ireny ho mpanao « asan-devoly » tsotra izao. Tsy natao ho sakana anefa ireo, hoy « Madame Nivo » fa vao mainka aza manosika ho amin’ny fanatsarana hatrany ireo tolotra. Marihana fa manolotra fiofanana ho an’ireo liana amin’ny tranga ara-pahasalamana sy ny fikarakarana sakafo ara-boajanahary ihany koa ny « Fahasalamana mamiratra » izay efa miara-miasa akaiky amin’ireo mpitsabo sy tobi-pitsaboana maro eto Antananarivo. Ny tokony atao no ampianarina ny isam-batan’olona mba ananan’izy ireo fahasalamana tomombana, hoy hatrany Randriarimanana Zafiharinivo. Mitaky fahaiza-miaina ihany koa anefa izany.
