Tamin’ireo taratasy fangatahana miisa 117.375 dia ny 2.722 ihany no hany nahazo famatsiam-bola. Io no tatitra natao, io maraina io, mikasika ilay fandaharanasa Fihariana karakarain’ny Fitondrana, mba hanomezana asa ny tanora izay manana tetikasa mahomby.
Olana lehibe ny tsy fananana asa
Miharihary ohatran’ny vay an-kandrina ny olana fototra eto amin’ny firenena dia ny tsy fananana asa ho an’ny olona tokony hamokatra. Tsikaritra amin’izao tarehi-marika izao anefa fa vitsy dia vitsy ny isan’ireo nahazo famatsiam-bola ho amin’izany. Asa na ny fampahafantarana ity tetikasa ity no tsy dia fantatry ny maro loatra na ny famenoana ny antotan-taratasy mihitsy no tsy hain’ny maro na koa diso sarotiny sy mitsongoloka loatra ny tompon’andraikitra ka vitsy no mahazo famatsiam-bola.
16 813 no voasivana
Voalaza ihany koa fa miisa 16.813 ny isan’ireo dosie voasivana. Saingy tsy voafaritra ho voasivana amin’inona izy ireo. Mety hanam-panantenana ny hahazo ihany ve sa ahoana ? Raha izany, inona no tsy hamatsiana azy sy hanitsiana ny antotan-taratasiny raha tena tiana hihena ny tsy fananana asa eto ?
Raha misy ny fisalasalana dia azo atao ny mamatsy ny vola ambany indrindra 400.000 ar ho azy ireo ary arahi-maso tsara ny tetikasany.
Raha araka ny tatitra manko dia mitontaly 19 miliara ar mahery eo ny famatsiam-bola efa lasa. Mbola malalakabe, araka izany, ny 200 miliara ar natokana ho an’ity Fihariana ity.
Mitotongana ny sosialim-bahoaka
Vokatr’ity tsy fananana asa ity no mampitontongana be ny sosialim-bahoaka eto amintsika. Tsy vitan’ny midina any amin’ny fahantrana ny tokantrano fa miroso amin’ny zava-mahadomelina ny tanora ary miafara hatrany amin’ny halatra amin’ny endriny maro samihafa izany.
Lasa enta-mavesatra ho an’ny firenena ny tanora tokony hamokatra. Mila ampirisihana ny fambolena sy ny fiompiana mba hiverenan’ny olona eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Mila ampiana ny mpamokatra amin’ny fanondranana ny vokany any ivelany,…
Aleo misy akoho 100 ompiana, toy izay hitango vola amin’ny « parking » etsy Analakely dia hangaro-paosy avy eo.
