Tena feno marary ankehitriny ny hopitaly manarapenitra CHU Morafeno ao Toamasina ka voatery novana ho toerana fandraisana an’izany indray ankehitriny ny « Foyer Canada », ahitana fandriana 50. Tao ho ao dia navoakan’ny foibe CCO covid-19 eny Ivato fa saika ahitana olona avy any Toamasina hatrany ireo vaovao voatily fa mitondra an’ity tsimokaretina ity. Efa hentitra dia hentitra aloha ny any an-toerana ankehitriny, raha ny tati-baovao voaray, ny fanaraha-maso an’ireo fepetra ho fiarovana amin’ny fihanaky ny covid-19 toy ny fitondrana maska na « cache-bouche » sns…
