Nanatanteraka fitokonana indray ireo mpitondra cyclo-pousses ao Toamasina ny Alatsinainy teo, Anisany antony fitokonana ny tsy famelàna azy ireo hiasa malalaka. Izay efa notadiavina vahaolana ny herinandro lasa teo nandritra ny fihaonana izay niarahan’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo tomponandraikitra tao an-toerana dia nitadiavana vahoalana hatrany ny manjo ireo mpitondra cyclo-pousses ireo.
Ny marainan’ io alatsinainy io ihany, andian-jatovo maromaro no nanao sakana teo amin’ny lalana amin’ny 4 chemins ho any « verrerie » minitra vitsy taty aoriana, nony tonga teny aminy 3 chemins Stella Maris dia nitondra banderole lehibe izy ireo misoratra hoe « Azafady apodio gne vary fa iasa zay 6h jusk 12h tsy mila fanampiana ». Marihina fa nomen’ny fitondrampanjakana fanampiana izy ireo mba ho fanajana ny hamehana amin ity valanaretina coronavirus ity, ary efa nozaraina vary ireo mpitondra cyclo-pousses ireo nefa mbola misy mahasahy manao fitokonana ihany.
Nidina an-tsehatra arak’izany ireo lehibe na sampan-draharaha ao Toamasina, ny avy eo anivon’ny gendarmerie, ny polisim-pirenena ary ny miaramila, mba andaminana ny fitokonana ary nilaza izy ireo « fa ho entitra ny fepetra manomboka izao satria mitarika savorovoro ny toy izao… ».
Nisy ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso in -6 mba hanaparitahana ny mpitokonana. Amin’ny ankapobeny dia ny tapany maraina no anaovan’izy ireo ny hetsika, fa ny alatsinainy teo kosa dia mbola nanohy ny hetsika indray ireo mpitondra cyclo-pousses ny hariva.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.