TOE-TSAINA « GASITSARA » : Mahomby hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana

Iaraha mahalala fa tena efa mamaivay tanteraka ny lafiny tsy fandriam-pahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Mampikaikaika ny maro ny fisian’ny fanafihana etsy, fanendahana eroa, vaky trano etsy, fandrobana eroa. Matetika dia miafara amin’ny famonoana mivantana na an-kolaka satria ilay saina mihintsy no simba rehefa avy noraofin’ny olon-dratsy, tao anatin’ny fotoana fohy izay nohariana sy nisasarana nandritra ny taona maro. Mihitatra hatrany, tsy mifidy izay ho robaina intsony ireo olon-dratsy eny fa na dia vokatra eny an-tsaha aza. Vokany, miraviravy tanana ireo mpamokatra ary mihena ny tahan’ny vokatra izay hampitombo indray ireo fahasahiranana efa misy. Fanoitra iray lehibe antoky ny hisian’ny fampandrosoana ny fandriam-pahalemana. Ndeha ho asiantsika resaka hoe : inona avy ireo antony mampirongatra ity tsyfandriam-pahalemana ity sy ny vahaolana mahomby entin’ilay toe-tsaina “Gasitsara” ao anatin’izany.

Voalohany indrindra sady iaraha-mahita dia ny fahantrana. Misy fitenenana hoe : « Ny vola miteraka vola, ny harena miteraka harena » fa ny mifanohitra amin’izay ihany koa dia marina fa « ny fahantrana miteraka fahantrana » : arakaraky ny tsy fananan’ny olona loharanom-bola no tsy hananany traikefa mampitombo vola, satria ny eo ampelan-tanana aza tsy misy nohon’ny tsy fisian’ny asa. Eto ilay endrika voalohany hisian’ny tsy fandriam-pahalemana satria misy ny miantehitra amin’ny fandrobana sy fangalarana, fisolokiana sns, mba hampisy ny eo ampela-tanana mandrakariva. Ny olana anefa dia traikefa na fandrobana sy fanafihana ary fisolokiana no ananan’izy ireo avy eo, fa tsy ilay traikefa mihary sy manangona. Ireo manana loharanom-bola madio sy manana traikefam-pihariana kosa rehefa avy voaroba dia lasa miraviravy tanana, ka potika mihintsy ilay fiaraha-monina.

Rehefa tafapetraka ao amin’ny tsirairay tsy an-kanavaka ilay toe-tsaina tiakarokaroka, tia miasa, tia manatsara, tia manaja ny nisasaran’ny hafa ho entin’ilay toe-tsaina « Gasitsara », dia azo inoana fa tsy maintsy hanitikitika ny anaty fo sy sainy ao no mbola hanoizany izany asa ratsy izany. Tsy maintsy hitady loharanom-bola madio izy ireo na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe (eto moa tsy maintsy misy ny fiaraha-misalahy amin’ny lafiny ara-toe-karena, sy ara indostrialy ny amin’ny famoronan’asa izay efa noresahantsika tamin’ireo lahatsoratra teo aloha) rehefa misy ny asa, mihena ny fahantrana ,mihena ny tsy fandriam-pahalemana.

Antony faharoa miteraka ny tsy fandriam-pahalemana ny fiparitahan’nyfitaovam-piadiana, indrindra ny basy. Ny fanjakana moa efa manao ezaka ny amin’ny fanaraha-maso ireo basy tsy ara-dalàna, ary isaorana azy izany. Fa anisan’ny tena olana dia ny fisian’ireo basy vitagasy, izay marihina fa miteraka loza kokoa noho izy ireo tsy misy taratasy. Marihina fa mila alàlana ny fitazonana basy eto amintsika, eny fa na dia ho amin’ny fiarovana ny tena sy ny fananana aza izany. Mazava ho azy fa raha tsy misy taratasy dia tsy maintsy ampiasaina amin’ny fanafihana sy fandrobana izany. Anisan’ny tena maha zava-doza ilay basy vitagasy dia izy tsy mifidy bala (bille, tapaka fer 6,…). Ilay toe-tsaina tia karokaroka izany eto dia lasa any amin’ny fanaovan-dratsy. Raha ao amin’ny tsirairay anefa ilay toe-tsaina “Gasitsara”, tia mikaroka ny ho amin’ny famokarana madio, inoana avy hatrany fa ilay faharanita-tsaina entiny hanamboarana basy vitagasy dia entiny hamoronana fitaovam-pamokarana mahasoa ilaina amin’ny fiainana an-davan’andro (milina maro isan-karazany, angadin’omby, sns…) mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro. Raha mbola minia anefa izy dia tsy maintsy hiteny sy hanitsy azy ny fiaraha-monina rehefa eo anivon’ny fiaraha-monina ilay toe-tsaina “Gasitsara”.

Olana fahatelo sady miteraka fahantrana sy tsy fandriam-pahalemana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Tena mampatahotra ny fahitana zava-mahadomelina  mahery vaika eto amintsika. Mampalahelo ny fahitana ireo tanora vao erotrerony na lasa adala na lasa miankin-doha. Mahavery fanahy tanteraka ny mahita ny sandrin’ireotanora feno diana tsindrona ary efa miankin-doha. Miteraka fahantrana satria ilay saina tokony hikarokaroka, hitrandraka sy hitady mihintsy no ampatorian’ilay zava-mahadomelina. Rehefa tonga any amin’ny fiankinan-doha ilay tanora (ary mazàna izay foana no hiafarany satria ny olona misafidy ny hiafina ao ambadiky ny fidorohana matetika dia olona tsy sahy miatrika sedra, ny fiainana anefa dia tsy ilaozan’ny sedra sy fihafiana ary ezaka maro isan-karazany) dia lasa vesatra sy fahasahiranana fanampiny ho an’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina misy azy. Miteraka tsy fandriam-pahalemana satria manome tanjaka sy risika, tsy fahenoana fanaintainana sy tsy fananana fihetseham-po ary maha very “fanahy” ho an’ireo dahalo sy jiolahy. Mahazendana ireo mpitandro filaminana any ambanivohitra mihintsy ny herin’ireo dahalo rehefa mandeha manao fanarahan-dia nohon’ny herin’ilay rongony. Ny fanenjehana sy fanaovana haza lambo ireo mpanao ratsy ataon’ny mpitandro ny filaminana anefa dia mitarika fandaniana vaovao (Solika, vola fandrisika, vatsy, sns) sy asa fanitarana ny fonja indray ho an’ny fanjakana foibe. Vokany, ireo teti-bola tokony hananganana foto-drafitrasa ilain’ny mponina, fanampiana ara-tsosialy sy seham-pamokarana maro dia ampiasaina amin’ny asa fampandriana fahalemana. Ireo voafonja ihany koa dia lasa vesatra ho an’ny fiarahamonina.

Eo anatrehan’izany rehetra izany ilay toe-tsaina “Gasitsara” dia miantso sy mitaiza ireo tanora ho olom-banona sy ho tompon’andraikitra, hahay hisafidy ny tsara sy ny mahasoa hatrany. Ilay toe-tsaina “Gasitsara” dia hitondra hafanana eo anivon’ny tokantrano, hitondra firavoravoana ho an’ireo tanora na ireo olona misedra olana, satria matetika ireo olana misy eo amin’ny fiainana andavan’andro no mahatonga ilay olona amin’ny fidorohana. Ilay voambolana « tsara » hiantsoana azy mihintsy no hisintona azy hanao ny tsara hatrany, hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa ity nosin-drazantsika ity raha tanteraka izany !

Vous aimerez aussi