TOETRANDRO : Hafana sy hanorana ny faran’ny taona

Hanorana ny faran’ny taona sy ny fiandohany. Izany hoe hiverina amin’ny toetrandro fahavaratra tanteraka ny manerana ny Nosy.

Hahazo orana tandrifin-drahona arahin-kotroka ny faritra maro manerana an’i Madagasikara, ankoatra ny faritra amoron-tsiraka atsinanana, toy ny any Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany ary Anosy. Ny faritra avaratra no ho bebe kokoa izany rotsakorana izany. Izany hoe ny any amin’ny Faritra Boeny, Sofia ary Diana.

Hafana ny andro

Manoloana izany anefa dia miakatra ihany koa ny mari-pana, izay mahatonga ny fihavian’ny orana. Ho an’Antananarivo, ohatra dia mahatratra 30°C izany hafanana izany raha eo amin’ny 34°C kosa ny faritra sisa rehetra, indrindra ny faritra ilany andrefan’ny Nosy iny.

Mila mivonona amin’ny fitaovana sahaza azy avy izany ny tsirairay. Indrindra ireo hilanonana ivelan’ny tokantrano hamarana sy handray ny taona vaovao.

Vous aimerez aussi