Feno ny maraina teo ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona roa any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny. 700 km ao avaratr’Antsiranana no misy ny foiben’ity rivodoza antsoina hoe Ambali ity ary 46 km isan’ora ny rivotra entiny. Araka ny fizotrany dia miha-manatona tsikelikely an’i Madagasikara izy ary eo anelanelan’Ambilobe sy Analalava no mety hiditra. Tombanana ho ny faran’ny herinandro izao, noho izany, no hipaka any amin’ny faritr’avaratry ny nosy i Ambali.
Tsy hisy fiantraikany aty amin’ny nosintsika kosa ilay rivodoza faharoa, ao avaratr’i Vohémar, satria hizotra mianatsimo ny diany.
Hisy, araka izany, ny toro-marika hapetraky ny tompon’andraikitra manam-pahefana amin’ny faritra SAVA, DIANA ary Sofia, mba hampiasa sahady ny loko maitso ho mariky ny fanairana amin’ny fihavian’ny rivodoza.
Hisy rahateo, manaraka izany, ny fepetra isan-tsokajiny izay tokony ho raisin’ny mponina amin’iny faritra tendron’ny nosy iny, indrindra ny tsy fanjonoana an-dranomasina intsony.
Rivodoza efatra
Araka ny efa nambaran’ny sampan-draharaha misahana ny toetr’andro moa dia efatra (4) ny rivodoza andrasana amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Saingy ny iray na ny roa amin’ireo ihany no tena hahakasika an’i Madagasikara. Voambara ihany koa fa ho betsaka ny orana hentin’izany rivodoza izany.
Ilaina, noho izany, ny fahamailona ho an’ny faritra rehetra handalovan’izany rivodoza izany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.