TONGA ETO MADAGASIKARA NY CORONAVIRUS : Vehivavy 3 avy any Frantsa no voany

Vehivavy telo (3) samy avy any Frantsa no voan’ny valanaretina Coronavirus eto Madagasikara. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nanao ny fanambarana momba izany, tamim-pomba ofisialy, io takariva io.

Samy vehivavy

Ny 17 marsa no tonga teto an-tanindrazana, tamin’ny sidina Air France 934,  ny renim-pianakaviana iray 41 taona, avy any Frantsa.

Ny faharoa kosa, izay tanora 19 taona no tonga teto amintsika rehefa avy any Frantsa koa, ka nandalo tao Maorisy ary nigadona tamin’ny sidina Air Mauritius MK 288, ny tolakandron’ny 18 marsa.

Ny fahatelo farany dia 45 taona, tonga tamin’ny alakamisy 19 marsa, tamin’ny sidina Air Mad MD 051.

Tsy mampanahy

Tsy mampanahy ny toe-pahasalaman’izy ireo, hoy ihany ny fanambarana, saingy arahi-maso tanteraka eny amin’ny fitokana-monina izy ireo, ahazoana manara-maso ny fiovan’ny toe-pahasalamany sy hahazoany ny fitsaboana sahaza azy, etsy amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka.

Nomarihin’ny fanambarana fa efa fantatra avokoa ireo olona rehetra nifanerasera sy nifampikasoka tamin’ireo marary ireo ka efa nandraisana fepetra fitokana-monina ihany koa.

Hikatona ny fivoriam-bahoaka sy ny sekoly

Manoloana izao toe-javatra izao dia naka fepetra ny Fitondram-panjakana fa foanana avokoa ireo famoriam-bahoaka isankarazany, toy ny fampisehoana sy ny ara-panatanjahantena.

Hikatona ihany koa ny toeram-pampianarana rehetra manerana ny Nosy mandritra ny 15 andro. Ary arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha no handraisana ny fepetra manaraka.

Na izany aza, mitohy tahaka ny isan’andro ihany ny fizotry ny fiainana andavanandro fa mila hajaina kosa ny fepetran’ny fahasalamana.

Entanina indrindra amin’izany ny vahoaka mba hihaino ny fampahalalam-baovao ofisialy.

Vous aimerez aussi