Ny “Acta Partners” izay “cabinet” efa nijoro ny taona 2012 teo amin’ny resaka “Tourisme” sy ny “Restauration-Hotellerie” dia manome fampiofanana arakasa. Izy ireo dia misehatra amin’ireo lafiny maro toy ny “Guide touristique” sy ny “Agent d’accueil touristique”. Eo ihany koa ny “Linger/Lingère”, “Réceptionniste”, “Femme/Vallet de chambre”, “Serveur”, “Maitre d’hotel”, “Barman” sy “Commis de cuisine” ary “Concierge”.
Tsy misy isanandro ny fampiofanana fa misy ny fandaminana rehefa misy ny fangatahana. Ny tsara ho fantatra mahakasika izay dia hita ao amin’ny tranokalan’ny “Acta Partners”. Misy amin’ireo Lalam-piofanana ireo no vita ao anatin’ny 20 ora raha misy ny 80 ora manaraka izay ny fotoana hanomanana ny fampiofanana. Asa ireo atolotry ny sekoly ireo. Nanomboka ny taona 2019 dia miara-miasa amin’ireo mpiara-miasa aminy ny “Acta Partners”. Izany hoe: miara-miasa amin’ny orinasa dia rehefa misy ny fampiantsoana arakasa dia ny orinasa no mandefa ny mpiasa hiofana ao amin’ny “Acta Partners”. Izay no zava-misy iray ankilany fa andaniny ihany koa dia misy olon-tsotra te hiova asa izy eo amin’io sehatra io dia misy ny fangatahana manokana ataony dia raisin’ny “Acta Partnres” dia ireo olona ireo no ampiarahana amin’ny fandaminana ny fampiofanana. Ireo sehatrasa rehetra ireo izay tena mbola malalaka raha ho antsika eto Madagasikara na any ivelany.
Raha ho an’ny any ivelany dia misy ny fandaminana amin’izany. Misy fahalalana ankapobeny tokony hanana amin’izany. Misy ihany koa ny fiomanana ara-bola amin’izany indrindra fa rehefa misy ireo sambo lehibe mpitondra mpizahatany. Ireo mpiofana ireo dia afaka miasa amin’ireo sambo ireo fa mitaky fahaizana tenim-pirenena vahiny izany. Misy fampianarana teny Anglisy ary misy ihany ny resaka fampiofanana amin’ny lafiny teknika. Ny “Acta Partners” izay tsy “Agence” mandefa ny “Croisière” fa ny fahalalana ilaina no atolotry ny “Acta Partners”. Ny “Acta Partners” araka izany dia manoro hevitra sy mampiofana ary mandray mpiasa, araka ny fanazavana voaray.
