TRANO FIVAVAHANA “MI-AINA MIRINDRA” ENY SOAVIMASOANDRO AMBOHIDRAZANA : “Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra no lohahevitry ny “Croisade” notontosain’izy ireo

« “Croisade” Vaha-olana Mahagaga ho Anao » – « Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra », io no lohahevitry ny “Croisade” notontosain’ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” izay manana ny foiben-toerany eny Soavimasoandro Ambohidrazana, ny sabotsy 6 septembra 2025. Ity fanompoam-pivavahana ity izay niderana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny “Vavaka”, “Delivrance” sy “Fanapahana ozona” ary “Vavaka ho an’ny marary”. Nanatontosa ihany koa hetsika ara-pilazantsara. Na voalohany aza no nanatontosan’ny Pasteur Ramangason Nirina Jean Claude ny “Croisade” tahaka izao dia hita fa nahatontosa ny fanompoam-pivavahana, ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy. Tonga maro nanohana ny antso ireo mpino ao aminy. “Jesosy Kristy no Tompo” ho azy ireo ka ny “Vaha-olana Mahagaga ho Anao” no nibahan-toetrana tamin’io fotoana io. Ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” izay tsy hijanona amin’ny fanompoana an’Andrimanitra fa hitarika hatrany ireo mpino ao aminy mba hanara-dia an’Andriamanitra. Manaporofo izany ny hanatanterahan’izy ireo “Croisade” Faharoa indray amin’ity taona ity, ny volana desambra 2025. Mialohan’io fotoana io anefa dia hanatanteraka “Croisade” isam-pokontany izy ireo isam-bolana. Ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” izay hanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe ao amin’ny Trano Fivavahana Soavimasoandro Ambahidrazana, ihany koa, ny 19 septambra 2025, araka ny fanazavan’ny Pasteur Ramangason Nirina Jean Claude.

Vous aimerez aussi