Ny hampifanakaikezana ny mpamokatra sy ny mpivarotra ary ny mpivarotra sy ny mpanjifa no anisany tanjona amin’ilay “Foires des produits halieutiques” na ny Tsenaben’ny hazandrano izay tanterahana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ity andiany fahadimy ity izay natokana ho amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fanjifana sy ny fihinanana hazandrano na trondro eto amintsika. Izy io izay fantatra fa mbola ambany amin’izao fotoana izao raha mihoatra amin’ny Firenena hafa.
Raha toa ka 7kg/olona/taona izany ankehitriny dia tanjona ny hampiakatra izany ho 11kg/olona/taona. Ahitana ireo mpisehatra rehetra amin’ity fihariana ity na an-dranomamy na an-dranomasina, mpivarotra, mpiompy, mpikirakira sakafo-trondro, fitaovana ilaina amin’ny fiompiana trondro sy ny jono, ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ary ireo Kaoperativa manerana ny lafy valon’ny Nosy, ny hetsika. Vokatra maro samihafa araka izany no hita eny amin’ireo tranoheva miisa 70 izay mandray anjara. Varotra fampirantiana izay karakarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny AMPA (Agence Malgache de Pêche et de l’Aquaculture). Anisan’ireo mpandray anjara amin’ity Tsenaben’ny hazandrano andiany fahadimy ity ny « WWF Madagascar ». Izy ireo izay fanintelony izao amin’ity taona ity no manohana ireo vondron’olona eny ifotony izay mitantana maharitra ny fiarovana ny ranomasina sy ireo rohivoahary an-dranomasina eto Madagasikara.
Vondron’olona eny ifotony izay ireo mpanjono no mpisehatra goavana amin’izany fitantanana maharitra ny fiarovana ny ranomasina sy ireo rohivoahary an-dranomasina eto Madagasikara izany nandritry ny taona maro. Izy ireo no mpisitraka no sady mpanara-maso ireo vokatra an-dranomasina izay hiankinan’ny fivelomany. Ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ity Tsenaben’ny hazandrano andiany fahadimy ity araka izany dia sehatra iray hahafahan’izy ireo mampiseho ireo vokatra an-dranomasina. Mizara ihany koa ireo traikefany sy mitady fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy mainkina mba ho fitadiavana lalam-barotra vaovao.
Anisan’ireo mivarotra karazana trondro toy ny trondro maina, trondro sira sy “poisson fumé”, ny patsa mena sy fotsy ary ny drakaka eny amin’ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahadimy izao ireo mpanjono sy mpanodina vokatra avy any Belo sur Tsiribihina sy Belo sur Mer. Izy ireo izay hita eo amin’ireo tranoheva miisa telo dia ny 7 sy ny 8 ary ny 9. Ity varotra fampiratiana ity dia entina hampisehoana ireo vokatry ny mpanjono izay mandray anjara mavitrika amin’ny toekarena manga eto Madagasikara. Fotoana iray ihany koa hahafahana mahafantatra ireo vondron’olona eny ifotony izay vonona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.
Entina hitadiavana ihany koa tsena sy lalam-barotra mba hampivoarana ny asan’ireo vondron’olona eny ifotony izay mpanjono. Ny “WWF” no manohana ireo vondron’olona ifotony ireo satria vonona ny hanatsarana ny asany sy ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana, ny famolavolana vahaolana maharitra, ary ny fiantohana ny hoavy tsara kokoa ho an’ny fianakaviany sy ny tontolo iainan’ireo mpanjono izy ireo. Ireo vokatra an-dranomasina sy an-dranomamy misy eto amintsika dia hita any amin’ny faritra Menabe avokoa. Ity fotoana hihaonan’ireo mpisehatra amin’ny jono sy ny fiompiana trondro ity dia haharitra efatra andro, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Nanomboka ny 2 jolay 2025 izany ka hifarana ny sabotsy ho avy izao, araka ny fanazavana voaray.
