TSENAN’I BEHORIRIKA : Hahazaka mpivarotra 800

Ao anatin’ny ezaka hataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny hapanara-dalana ireo mpivarotra amoro-dalana, ka izany no antony hananganany tsena lehibe eto andrenivohitra. Ny fampidirana ireo mpivarotra ao anaty tsena no tanjon’ny kaominina, mba hahatanteraka ny veliranon’Iarivo. Mikasika ny fananganana ny tsenan’i Behoririka amin’izao fotoana izao, dia mpivarotra manodidina ny 740 na 800 any ho any no ezahina ho taditra ao anatin’io tsena io. Nambaran’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, atoa Ramiandrisoa Lalaina dia ny handaminana ireo mpivarotra ivelan’ny tsena mba hanara-dalana no tanjona amin’izao fananganana tsena ho an’ny mpivarotra izao. Ny hampihena ireo mpivarotra amoro-dalana koa no tanjona tiana ho tratrarin’ny kaominina. Hadio tanteraka ny eny Behoririka, araka ny fanazavana voaray hatrany ary ny tsy hisian’ny gaboraraka intsony. Ankoatra izay, dia mitohy ny asa andavanandro ataon’ny Boriborintany fahatelo amin’ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakan-drano, vokatry ny orana. Anisan’ny faritra hiakaran’ny rano mantsy ny Boriborintany fahatelo rehefa avy ny orana ka miakatra ny rano, ka nahatonga izay fanadiovana izay.

Vous aimerez aussi