VALIM-PANADINANA BAKALOREA : 47% ny taham-pahafahana

47% ny taham-pahafahana bakalorea teto Antananarivo Renivohitra. Nivoaka ny sabotsy maraina tokoa ny valim-panadinana, araka ny fampanantenana nataon’ny fanjakana.
Tsy nifankaiza loatra tamin’ny taon-dasa ny vokatra teto an-drenivohitra, hoy ny tompon’andraikitra, izay nanambara fa ny naoty nahazo 10/20 no nafahana.

Tahaka ny mahazatra ihany dia ny sokajy A1 no betsaka afaka, satria nahatratra 44,69%, ny A2 39,49%, ny sokajy C 36,37% ary ny D 43,01%.

Mbola manana ny fihodinana faharoa manokana moa ireo mpiadina tsy afaka, ka hanatanteraka izany ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao. Noraisina moa izany fepetra izany noho ny fisian’ny laza adina nivoaka mialohan’ny fotoana, nandritra ny fihodinana voalohany iny.

Valiny manara-penitra

Manoloana ny herisetra ataon’ny mpiadina sasantsasany dia mangataka ny hisian’ny valim-panadinana manara-penitra ny maro. Tsy ilaozan’ny mpisotasota manko ny fametahana ny valim-panadinana tahaka itony ka misy ny mandrovitra izany rehefa tsy mahita ny anarany ao izy.
Anisan’ny toe-javatra nitranga izany teny Ampefiloha.

Vous aimerez aussi