VAROTRA SAINAM-PIRENENA : Mbola vitsy ireo mpanjifa

Nanomboka ny 01 jona teo no efa nahatazanana ireo mpivarotra ny sainam-pirenena teto an-drenivohitra. Nomarihan’ireo mpivarotra fa mbola vitsy ireo mpividy hatreto.

Manodidina ny 12 000 Ar no hivarotana ireo fanevam-pirenena be velarana, 5 000 Ar ny salantsalany ary sandaina 2 000 Ar ny kely izay matetika ampiasaina any anatin’ny fiara. Misy ny fenitra arahana amin’ny fanamboarana ny sainam-pirenena. Anisan’ireny fanajana  ny refin’ny halavany izay tsy maintsy mahatratra 1,50 m raha toa ka 01 m ny refin’ny sakany. Loko miisa 03 ahitana ny fotsy, ny mena ary ny maitso no mandrafitra ny fanevam-pirenena malagasy. Ny fotsy maneho ny fahadiovana, ny mena, taratry ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ary ny maitso, midika fanantenana sy ny naha Nosy maitso an’i Gasikara teo aloha fony izy mbola tsy rotiky ny fanimbana tsy ampiheverana ny tontolo iainana toy ny doro tanety sy ny fandripahana ny Ala tsy ampiheverana.

Manambara ny fananana fahaleovantena

Ny fananana ny fanevam-pirenena dia midika fa manana ny fahaleovantenany ny firenena iray. Afaka 22 andro ny Malagasy dia hankalaza ny tsingerin-taona faha- 60 niverenan’ny fahaleovantena. Noho ny mbola fihanaky ny covid- 19, nofoanana avokoa ireo hetsika miendrika famoriam-bahoaka tahaka ny seho an-tsehatra « podium » fanao isan-taona sy ny fandefasana ny afomanga ary ny fitondrana arendrina mitety tanàna. Eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Analakely kosa no hanatanterahana ny matso noho ny tsy fahavitan’ny asa fanavaozana sy fanitarana ny kianjaben’Imahamasina ara-potoana.

Vous aimerez aussi