Andro faharoa tamin’ity Alatsinainy 21 febroary ity, teto amin’ny boriboritany faharoa – Antananarivo Renivohitra no nanatanterahana ny fizarana ny “Vatsy Tsinjo” izay nampanantenain’ny Fitondram-panjakana, ho an’ireo tokantrano sahirana sy traboina nohon’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Tokantrano miisa 1170 avy amina Fokontany roa ao amin’ny Boriboritany faharoa, dia ny Fokontany ao Mahazoarivo sy Ambatoroka, no nisitraka ireo fanampiana ahitana vary iray gony 25 kg sy fonosana iray feno entana ilaina andavanandro na PPN. Tao amin’ny tobin’ny zandarimaria teo Mahazoarivo no nanatanterahana izany fizaràna izany. Hitohy ao amin’ny Fokontany Miandrarivo, ao amin’ny “Ex Le Carré” ny fizaràna ny “Vatsy Tsinjo” ho an’ireo tokantrano sahirana sy traboina ao amin’ny Boriboritany faharoa anio Talata 22 febroary.
Mitohy ihany koa ny fizarana Vatsy Tsinjo izay ataon’ny Fitondram-panjakana eny amin’ny ANS Ampefiloha ka fianakaviana sahirana miisa 1547 avy ao amin’ny Fokontany Ampefiloha Ambodirano- boriboritany fahaefatra no nahazo ny anjarany omaly. Mbola hitohy hatramin’ny alakamisy 24 febroary ny fizarana ao an-toerana. Nisy hatrany moa ny fitakiana ny karinem-pokontany vaovao sy ny tapakila izay nozarain’ny tompon’andraikitra ho an’ireo mponina rehetra izay tokony hisitraka ny “Vatsy Tsinjo”. Mbola mitohy hatrany ihany koa ny fikarakaran’ny Minisiteran’ny Paositra ireo karinem-pokontany vaovao.
Mbola mitohy miandalana ihany koa ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo avy amin’ny Fitondram-panjakana eny anivon’ireo Faritra nitondra takaitra tamin’ny rivodoza BATSIRAI. Tao amin’ny Distrikan’i Ifanadiana dia nitohy tao amin’ny Fokontanin’i Sahafotorika, Ambodirafia, Maromena, Fenoarivo I ary Ambodiara ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo ahitana Vary 25 kg sy fonosana feno entana ilaina andavanandro na PPN.
Tao amin’ny Distrikan’i Lalangina dia tokantrano traboina avy ao amin’ny kaominina Lalangina, Ambalakely ary Androy Vohiparara no nozarana ity fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ity izay notanterahina tao amin’ny Fokontany Ankijana Kaominina Lalangina.
Ho an’ny distrikan’Ambohimahasoa kosa dia fokontany miisa 9 no nisitraka izany dia ny Fokontanin’Atalata, Ambomanatrika, Ankiboka, Andondona, Avaratsena, Bemasoandro, Ampanidinana, Ampeviahitra ary Antohabe.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

