Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny CCI Ivato, ny alahady 23 febroary 2025, ny “Vavaka sy Tso-drano” izay niarahana tamin’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa sy Pasteur Noro Lucie. “Ary hanomezan’Andriamanitra anao anie…” – Genesisy 27:28, no andinin-tSoratra Masina nentina nandravahan’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana, ny fotoana, tamin’io alahady io.
Vavaka sy Fiderana ary Fiankohofana no nibahan-toerana nandritry ny tontolo andro. Vory lanona teny amin’ny CCI Ivato araka izany ireo tsy mpino sy ireo mpino ao amin’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana, tamin’ity “Vavaka sy Tso-drano” ity, noho izy ity tsy nanavahana antokom-pivavahana sy antokom-pinoana, no maimaim-poana ihany koa. Ny “Tso-drano” izay tena ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro noho izy io zava-mahery, araka ny oha-pitenenana Malagasy vao mainka moa fa eo amin’ny fiainana ara-panahy. Tsy ny olon-drehetra anefa no afaka manome “Tso-drano” fa misy ireo efa voatokana ho amin’izany, toy ny Ray aman-dreny sy Raiamandreny na ara-panahy ireo na ara-pinoana. Ny tsirairay kosa anefa dia afaka mandray ny “Tso-drano” avy amin’ireo olona voatokana ho amin’izany ireo. Zavatra miavaka araka izany ny “Tso-drano” fa tsy tahaka ny firarian-tsoa izay atao amintsika isan’andro.
Fantatra ireo araka ny fanazavana voaray avy amin’ny Pasteur Noro Lucie izay anisan’ireo Pastora nanatontosa ny “Vavaka sy Tso-drano” teny amin’ny CCI Ivato, ny alahady lasa teo. Ny Fiangonana “Vavaka sy Fanafahana” izay manana ny foiben-toerany eny Behoririka izay tsy vao izao no manatontosa hetsika ara-pilazantsara entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra fa manatontosa izany ho an’ireo mpino ao aminy sy ireo mpino amin’ireo antokom-pivavahana sy antokom-pinoana hafa amin’ny alalan’ny onjam-peon’ny Fiangonan’ny Vavaka Fanafahana.
