Fanamby apetraky ny CNaPS ny hampiakatra ny vola fisotroan-dronono sy ny volan-jaza raisin’ireo mpikambana ao aminy. Na izany aza anefa dia miankina amin’ny fanefan’ireo mpikambana ao aminy ny latsakemboka isam-bolana izany vina apetraka izany. Tanjon’ny CNaPS ny hampitombo ny tahiry ara-bolan’ny CNaPS, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina Sosialy na ny CNaPS, Rahaingonjatovo Vimbina.
Ankoatra izay dia teboka maro samihafa no nitondran’ny tale jeneralin’ny CNaPS, Rahaingonjatovo Vimbina, fanazavana, mahakasika ireo resabe momba ny CNaPS. Teo aloha ny nanambarany fa manana tahiry ara-bola ampy tsara hiatrehana ny fandoavana ny latsakemboka ny eo anivon’ny CNaPS. Tsy tokony hitebiteby araka izany ireo mpandoa latsakemboka satria hahafahana manefa ny vola fisotroan-dronono sy ny vidin-takaitra ary ny volan-jaza, tokony hositrahan’ireo mpikambana, ny tahiry ara-bolan’ny CNaPS.
Tsy misy ahiana araka izany ny fandoavana ny zon’ireo mpiasa mpikambana na ireo amperin’asa na ireo efa misotro ronono. Io tahiry ara-bola io izay tokony ho mbola ampy hiatrehana taona maro. Na izany aza anefa dia manao antso avo amin’ireo mpikambana ny tale jeneralin’ny CNaPS, Rahaingonjatovo Vimbina, mba hanefa ny latsakembok’izy ireo. Mahatratra iray tapitrisa amin’izao fotoana izao no isan’ireo olona voasoratra anarana ao amin’ny CNaPS. Tsy ireo rehetra ireo anefa no mandoa ny latsakembokany ara-dalàna fa ny ampahany ihany.
Manoloana ny zava-misy dia nandray fanapahan-kevitra ny hampihena ny fandaniana ny eo anivon’ny CNaPS. Fampihenana fandaniana noraisin’ny CNaPS, ny tsy hanofana fiara elektrika sy ny tsy hampiasaina solosaina maromaro ao amin’ny CNaPS. Eo ihany koa ny fampihenan’ny CNaPS ny vola avoakany. Nihena hatramin’ny 50% araka izany ny fandaniana eo anivon’ny CNaPS mandritry ny fampiharana ny fampihenana.


