VOLAM-PANJAKANA : 27 Miliara no voahodinkodina

Mitentina hatrany amin’ny 27 miliara ariary ny volam-panjakana voahodinkodina nandritra ny herintaona. Izany no fanambarana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (na CDBF), Razafindrakoto Julien, raha nanao tatitra tetsy amin’ny Carlton Anosy izy.

Nomarihiny fa eo amin’ny tsenam-baro-panjakana no tena nanjakan’ny fanodinkodinana, araka ny fanadihadiana nataon’ity Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola ity, izay herintaona izao no nijoroany.

Mahazo vahana amin’izany ny fanaovana fanambarana tsy marina sy ny fihoaram-pefy amin’ny fampiasana ny volam-panjakana.

Olom-panjakana 19 no tompon’antoka

Manoloana izany dia olom-panjakana ambony sy mpiasam-panjakana tsotra miisa 19 no efa ahiahiana ho tompon’antoka amin’ireo taratasy fitoriana sy fitarainana  miisa 17 voarain’ny CDBF.

Anisan’ny voaringotra amin’izany ny Tale Jeneraly 4, Talem-panjakana 4 ihany koa. Ny sisa kosa dia olom-panjakana, toy ny Prefe, Ben’ny Tanàna ary tompon’andraikitra mpandrindra ny tsenam-baro-panjakana.

Araka izany dia mitentina 27 miliara ariary no fatiantoky ny kitapom-bolam-panjakana amin’ireo raharaha 17 ireo.

Tsy hijanona fotsiny eo anefa ny raharaha fa handoa onitra mitentina hatrany amin’ny 30 miliara ariary  ireo mpanodinkodim-bolam-panjakana, araka ny volavolan-kevitra anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Teo aloha manko dia 3 ka hatramin’ny 30 tapitrisa ariary monja no sazy.

Vous aimerez aussi