VONDRON’NY MPANAFATRA FIARA EFA NIASA ETO MADAGASIKARA – “GIVEOM” : Nijoro tamin’ny fomba ofisialy

Nivondrona ho ao anaty fikambanana iray antsoina hoe: Vondron’ny mpanafatra fiara efa niasa eto Madagasikara na ny “Groupement des Importateurs des Véhicules d’occasion à Madagascar – GIVEOM” ireo mpandraharaha eto amintsika izay mpanafatra fiara efa niasa avy any ivelany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny talata 5 aogositra 2025, teny amin’ny ByPass, ny fijoroany.

Tanjon’ireto mpandraharaha mpanafatra fiara izay miisa telo mahery ireto ny mba hampisitraka ny ankamaroan’ny Malagasy fiarakodia aorian’ny fahazoana trano hipetrahana. Misy anefa ny sakana eo amin’izay fanatanterahan’ny “GIVEOM” ny tanjon’izy ireo izay. Anisan’izany ny hetra sy ny saran’ny famoahana fiara eny amin’ny Fadin-tseranana izay tena midangana tokoa raha eo ihany koa ny fitontongan’ny sandam-bola Ariary. Antony fitakian’ny “GIVEOM” amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mba hanalefahana kokoa izany saran’ny famoahana fiara eny amin’ny Fadin-tseranana izany indrindra fa ny hetra izay aloan’izy ireo. Nivondrona araka izany ireto mpandraharaha eto amintsika izay mpanafatra fiara efa niasa avy any ivelany ireto mba hahamora ny fitakiana ka mba ho takatry ny fahefa-mividin’ny ankamaroan’ny Malagasy ireo fiara efa niasa avy any ivelany.

Fiara avy any Eoropa, Azia sy Dubai ary La Reunion no hafaran’ny “GIVEOM”. Ireo fiara ireo izay efa miparitaka manerana ny Nosy na nihena aza izany taorian’ny nisian’ny valanaretina “Covid-19”. Manodidina ny enina arivo isan-taona ny isan’ireo fiara nohafarana avy any Eoropa talohan’ity valanaretina ity, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny filohan’ny “GIVEOM”, Randriamisa Naina Marie Nicolas David.

Vous aimerez aussi